15/10/2025
JβespΓ¨re que cette lettre tombera sous vos yeux un jour Monsieur .
LETTRE OUVERTE - TENA LAVA fa miala tsiny .
Ry Andriamatoa ,
Efa ela no nanomanako ity taratasy ity ka dia hoavoakako androany . Tsy azoko natao intsony moa ny nanantona anao ka dia eto aho no afaka milaza ny zava nisy . Manoratra aho mba ahafahany marina hohainoina nβinoninonamitranga .
Nandritry nβy fotoana fohy no niasako tao aminao
Nandritry nβy fotoana fohy koa no nahalalano anao
Ary tao anaty nβizay dia nandiso fanantenana tanteraka nβy fijerenay anao.
Vao no recruter nβa aho dia
Faly ianao satria misy olombaovao mitondra rivotra fanavaozana tao aminao . Izaho ihany koa dia faly satria mpandraharaha tanora nanana tanjona ny hivoatra ianao .
Taminy nampanao entretien ahy ianao dia :
Nanambara tamiko fa mila fanavaozana tanteraka nβy eo anivony orinasanao ary nisaotsaotra ilay nanao recrutements mihitsy ianao hoe equipe toa ahy no nilainao. Dia no nommer na ho DIRECTEUR CONCEPTEUR aho fa tsy nety taminy Staaf nao fa hoe RESPONSABLE ihany hono . Ny animateurs tao izany moa tena ialako tsiny fa dia miatsara ivelatsihy daholo fa tsy nojereko
Natomboka ary ny asa , nandeha ny fandrosoana . Nanontany ahy foana ianao hoe inona ny hevitrao hanatsarana anity orinasako ity .
Dia nomeko anao daholo nβy β plan β rehetra . Avy hatrany ianao dia resilahatra. Tsy niraharaha anizay jour fΓ©riΓ© fa tena matoky tanteraka ny proposition ako dia niasa foana -
Ianao no βPro β hoy ianao tamiko. Fa andao tanterahina afaka 1 mois ity projet ity fanmi cartonne Nataoko dΓ©fi aty dia tanteraka β¦. Ilay emission βLES IDOLES DU PASSΓ β izay navadiakao ho LA VOIX DβOR.
Ataovy izay hitanao fa mety hoy ianao .
Nβy points hanatsarana nβy rehetra no nasainao novaina . Eny , na ireo niasa tao ary dia navondroko mba ilaza sy namoaka ny tao ampony sy ny hetahetany afahana mi motiver azy ireo .Noraisiko tsara ary nampitako taminao ny fangatahana . Dia hoy ianao βomeko anao ny carte blanche Christina β vitanao ny manova anβio .
Tsy niandry ela aho fa niasa avy hatrany .
Saingy, niasa aho fa niasa irery satria β¦.., ireo manondidina anao dia tsy nisy Faly taminy fanavaozana noentina .
Raha toa ianao miteny hoe aty amiko foana ny tatitra no Atao , raha misy ilana vola sns, ireo eo ambaninao anefa toa tsy Faly hoe tsy maintsy mandalo eo aminy daholo fa izy ireo no mibaiko . Misy hatraminy hoe tsy omena sakafo le equipe fa tsy misy budget anizany anefa le asa dia tena mitaky Γ©nergie mandritry ny tontolo andro.
Ny antony tsy mahafaly anβizy ireo ? βtoa manitsaka ny plate bande ny izy ireo hono aho β . Toa miseo mi accelerer ny asa . Toa tonga dia manapatapaka . Toa lasa misy fiovana tampoka ireo niasa tao ? Toa lasa manjabe vao maraina ny mpiasa ?
Fa ahoana ? Toa teo noho eo dia nahitako partenaire hiaraka hiasa aminao ? . Eny , nβa ny orinasa farakizay INACCESSIBLE dia vitako ny nΓ©gociation .
Ny RH tao nilaza tamiko taminizany hoe β regarega be anie ry Christina ny Γ©quipe ato fa ianao mandeha mafy be no mahatezitra azy ireo e !!β Tsy nohenoiko fa notohizako nβy asa.
Noho ny lasa ianao dia nandefasako compte rendu foana aminy fivoarana nisy - Eny , nβa ny Vadinao ary tena nanana βapprΓ©ciation be tamiko β . No valider nao satria bien fondΓ© ny plan ary tsy mbola nisy resaka budget .
Ka rehefa nahafapo anareo nβy fomba fiasako , dia iny ny trambo fa tsy faly ka nandady β¦.. nofinganiny - novingavingainy - notsinotsiniavina ny zavatra nataoko satria β tsy teo intsony ianareo mivady β - hatraminy mpihira Efa hoalaina aminy contrat nolavina daholo dia gaga izaho sy ilay mpihira hoe aona aaaa ????
Mpitari-bavaka iray hafa miasa tao aminy orinasanao no mba nitarainako ary nilaza hoe β tsy misy tia anao ireo olona ireo - fa ataovy nβy asa dia aza mihaino azy dia mialΓ β . Ary olona iray izay tanankavanany vadinao koa dia nahalala nβy faminganana saingy tsy nasahy niaro nβy tsy rariny noho nβy tahotra ny toerany .
jβΓ©tais un petit poisson entourΓ© de requins .
Mbola mitohy hatrany nβy motivation ako , saingy, olona iray toa malaza mpitarika antokompihira FIVAVAHANA no te hiravaka ny vanginy. Dia nahodiny ny resaka ho aminy avantage ny . Fantany hoe iza izy raha mamaky ity .
Avy eo , nony niverina ianao , dia nangataka nβy hiresaka taminao aho ary dia hoy ianao sady gaga β Fa anga moa tsy ianao no tokony ho chef nβio projet io ry Christina? . Novaliako hoe ilay mpivavaka be anankiray hono hanao azy . Aminizay ny presentation any dia tahaka ny hoe izy no coco nefa tena zΓ©ro .
Nanomboka teo nanomboka nivoaka tsikelikely ilay toetranao . β Izaho aloha tena tsy au courant anizany . β Ianao anefa milaza ho Leader . Isaky ny avy mi valider ny projet ianao , dia iny fa mandondona ny trambo ary hatraminy farany dia tsivalaniny sy ovainy daholo . Dia manaiky ianao ary rehefa anontaniako dia tsy manankavaly
Tao aoriany Nialako tao dia naratsiana hoe tsy nahafapo ny asako anefa , mandrakizao dia mbola mandeha tsara aminy haino a manjerinao my projet napetrako izay mampidibola be hoanao satria concept tsisy mpanana !
Fa angah nety ihany ? Avy eo mody ovaina my anarana fa contenu dia conception any Christina Leong.
Nony nandeha teny ny fotoana ka nahatsikaritra βzavatra tsy rariny β be dia be aho , dia nametra-pialana . Tsy haiko nβy miaraka mipetsapetsa Amina zavatra tsy mitombina sy tsy rariny .
Satria tsy arakilay tao anaty βcontrat nβy zava-niseho β. Ary fantatro aty aoriana fa mila norecruter nβa haingana be aho fa hoe hoavy ianao - ary mila mivoaka aminy Zone de confort ilay orinasanao .
Tsy mbola afapo ary ireo voay manodidina anao ka nandefasany βhuissierβ aho . Tao aoriany nialako
Ary izaho moa tena mafy loha hoe Omeo ny anjarako dia miverina nβy anareo raha tsy izany β on est quitte β.
Tezitra ny lohandohany tao aminao ka niteny hoe β A LA GUERRE COMME Γ LA GUERRE β . Fandrahonana re izany e!!!!
Andao ary oa fa izaho tsy matahotra . Izany hoe mavita miady mihitsy ve ny olona napetrakao ho responsable hitandrovany ny sezany sy nβy image nao - tahaka ny hoe andriamanitra kely ianao ka intouchable ary zareo no manao ny didiny be sandry nefa miseoseo eraky ny tanana fa nitondra fanovana anefa izaho no tena tao ambadika ?
Nangataka aho moa ny nihaonana taminao tao aorianizay fa izy ireo no ni bloquer ahy hoe β TSY AFAKA MIRESAKA AMINAO INTSONY HONO PRΓSIDENT β . Any izay ilay ramose miseho azy hoe tena lafatra !
Fa nahoana no no bloquer nβa aho ? Satria tratra eo nβy incompΓ©tence anareo ? Menace hoanareo ny fisiako satria fantatrareo fa hanaloka anareo aho ?
Andao ary oa fa mitohy nβy tolona β¦Nangalany ny avocat personnel nao aho izay tena matanjaka ary nampitondraina ahy ilay huissier hoe mitandrema Christina fa tena matanjaka ireo olona ireo .
Izaho tsy nietsika raha tsy manana preuves tangibles tsara satria fantatro hoe iza ilay olona mifanandrina amiko . Ianao goliata dia izaho Davida.
Naharay convocation ary nβy staff nao dia mbola β tsy menatra nβy nandainga teo imasony INSPECTEUR izy ireo β hoe efa nomena daholo ny volanβio olona io . Niteny aho fa lainga tanteraka . Mbola nizizotra ihany izy ireo . Indrindra mbola nasahy niteny hoe anareo ny CONCEPTION anefa ny anarako no movandravandra eo aminy generique - dia farany mody nanaiky hoe ilay nom ani President fa ny contenu no anao π³
Farany , nampiakariko ny raharaha ary ny inspecteur no nampirisika hoe ataovy fa ita be fa nandainga le olona. Everiny olonao fa afaka anaovana corruption angah ao ?
Toy ny fanaonao moa dia ianao jamais hi assumer sy Andoto ny tananao ka ny mpaka 19 no ampanaovinao azy . Jamais ianao no hiditra hi régler zavatra raha tsy à la dernière minute .
Nangoniko daholo ny porofo rehetra manaporofo ny fanambanianβireo te ho lohandohany tao aminao . Nila fotoana lavalava aho
Eny mpiasa maro ary tsy nampoizinao ny nanao temoignage tamiko . Izaho koa tsy nisangy satria ananako ny marina . Porofo mivaingana hoe izany ve nonniaretanareo ?
Ohatra : Aiza Ve koa olona asainareo maka sary ny Γ©vΓ©nement anao mandritry ny 2 andro dia sambos sy nem no omeny ilay milaza ho chef anilay olona ary dia masahy miteny hoe tsisy resabola eo ?
Nefa dia olona mba ataoko hoe manana ny maha izy azy ? Ary nampiaina be ny radio anao . Dia noekenao izany ? Nodianao tsy hita ?
Ilay RH tao moa dia nilaza tamiko fa β ianao Christina no olona voalohany nasahy manohitra hoatranizao fa izay niala tato dia niala maina satria Biby fampitahorana le PrΓ©sident.
Ny olona akaiky anao no nitarainako nilaza hoe β Christina an , aza mamaly ratsy nβy ratsy fa aleo izy ho any β - noekeko tao ambava saingy ny plan sy ny torohevitry ny inspecteur no narahiko.
Teo vao taitra ny Staff nao hoe toa β nasahy β eny hoy aho β¦. Ary Nangataka β ARRANGEMENT β ireo staff nao satria matahotra ny Handoto palitao sy ny image nao hoe sao asiana fihaonana ihany . Nβy avocat ako tsy nanaiky.
Nanaiky ve aho ? TSIA - tsy voavidimbola tompoko aho fa hijoro aminy marina hatraminy farany rehefa tsy nihaino sy nety nandray ahy intsony ianao .
Fantatrareo izany hoe β en tort ianareo vao mahalala mitady solution ? β
Tonga teo aminy fotoampitsarana dia nanontany ilay mpitsara hoe β conciliΓ© ou pas ilay cas ? Dia izaho sy ny avocat ako Samy nandah hoe NON .
Nitohy ny tantara- eny izaho prΓ©sente foana fa nβy olonao nakaiza isaky nβy audience ?
Nβy avocat no teo ary dia tena afabaraka satria 2minitra mialohany ivoahanβny didy dia iny nβy avocat mipenipenina hoe ireto hono volany Christina ?! Dia hoy aho hoe ! Anefa dia mihizingizina hoe tsy misy volani Christina izany intsony aty aminay. NON tsy afapo aho ary nanao appel .
Nitohy indray ny tantara - ary nivoaka ny didy , NAHARESY aho satria nitombina daholo ny porofo rehetra .
Ny mampalaelo anefa ny nataony olona eo ambaninao ? NO ΓTOUFFER ny ny dossier ako ary nodiana tsy hita - mandrakizao . Abus de pouvoir et insulte Γ la justice.
Tsy ny vola no nanaitra avy fa niady aminy tsy rariny aho . talanjona aho fa dia olondehibe izao no mbola saika hamitaka .
Niteny aho taminizay hoe tadidio , fa misy ny trace ko ao aminy orinasanao ary mandrakankehitriny izany dia mbola mampidibola be hoanao .
Tao aorianizay mbola te hamaly faty ahy mafy ianareo ka na ny olona namono ahy ary nampiakarina tsara nanao dΓ©menti hi discrΓ©diter na ahyβ¦. Nefa inona ? Tsy arakizany ny didy nivoaka . RESIKO indray ireo olona no manipuler nareo contre ahy noho ny porofo nazava be nananako .
Taloha aho mba nanana estime ihany satria toa actif sy tena vonona ny androso be ianaoβ¦.. fa ireto olona manodidina anao tompokoβ¦. Ialako tsiny fa tsy hitako izay maha mpitarika sy maha mpivavaka azy raha tia miray tsikombakomba aminy ratsy . Izany mba hitandrovana ny voninahitrao.
Hatraminy recruteur dia nasahy nivadika hoe tsy nisy resaka toy izao izany taminy Christina , saingy β¦. Tara loatra fa Efa azoko daholo nβy porofo .
Raha itanao tsy mampandroso nβy orinasanao aho , inona no mbola hanohizanao ny zavatra napetrako tao ? Raha tsy nahafapo nβy zavatra Nataoko , inona no tsy nasahinao nijoro aminy maha leader anao ?
Nandeha ny fotoana , dia hoy aho hoe anβAndriamanitra ny famaliana .
Nihaona tsara isika tao aminy hetsika iray , ramose tomponandraikitra roa toana lasa ary gaga ianao nijery ahy . Ary nojereko tsara koa .eny , izaho Christina no nodinihinao tsara no mbola mijoro manoloana anao .
Eny , fantatro fa ireo rehetra nanangonako porofo ankehitriny ary sady tezitra tamiko daholo dia no bloquer nareo avy hatrany aho . ny antony β¦.nivoaka ny marina .
Matahotra ny hoesorina aminy poste nβy hoe niteny ny marina momba ny zava misy ahy izy ireo . Izaho tsy natahotra . Ilay madama mpihira izay ary moa niasa tao dia mangarika be mihaona amiko tao aorianβio anefa dia mipoapoaka ery ilay hira-pivavahana ataony izay tena Malaza an . Mety hainareo ilay hira hoe β ianao ilay Ray tsy mba mandao β¦.. asandratro avo ny anaranao β.
Ankehitriny, folo taona aty aoriana , mitontona tsara taminy andro ni recruter nβa ahy ny anoratako ity . Tsy haiko na fifandrifianjavatra.
tao aorianizay dia nanohy ny asako sy ny fiainako aho ary tena misaotra anβAndriamanitra hoe SOA ihany ny projet rehetra tsy nasehoko fa ity anankiray ity ary dia Efa jereo .
Eny , mbola tsy manambe aho fa faly aho hoe tsy voavidimbola ary nijoro hatraminy farany aho .
Mety ho gaga ianareo hoe inona no Antony tsy nitenenana hatraminizay , ny antony dia tahaka ny jadona ny eto hoe vao miteny nβy Marina dia nβa Γ©liminer na - na gadraina.
Ankehitriny, fantatrao Izao ny marina ry Andriamatoa - ka ilay mody Fanina sβy tsy hita mba hialao aminizay .
Mafy tamiko niaina anizany fa nanefy ahy , ary ankehitriny dia tsy misy dikany eo anatrehako sy ireo soa vitako ny Zo ako tokony ho sitrahiko . Mihoatra anizany no laniko fa izaho dia nanana tanjona , ampanjaka ny fahamarinana .
Tao aoriana nanaovanao campagne dia nisy olona teo aminy rΓ©seau nitaraina koa hoe nihaona ni prΓ©senter projet taminao izay tokony niarahana niasa kanefa tahaka ny nanaovanareo ahy ihany , nalainareo ny projet anβilay olona dia Nahilikareo izy .
Mba fantatrao Ve ho fampatsiahivina ? Nandritry nβy 16 taona
Dia nampitondra alaelo olona maro ianao , ny vahoaka ao anatiny .
Dia nampitondra takaitra ny hafa ianao - nisy kamboty tsy fidiny
Dia nandatsa dra
Dia farany niala ny andraikitrao aminy tokony maha Leader anao ianao .
Io voninahitra io anie ka rehefa tsy hoetinao ampanetretena dia manimba e β¦. Sy mamotika vetivety e !
Vokany : halambahoaka - namotika nβy ampahany hoavinao sy ny ankohonanao ianao - very fahatokisana anao Ny rehetra. Hany na mampanantena aza ianao dia Sarotra ny mino . Noesorina aminao ny maha prΓ©sident anao .
Mba maneke diso re a , tsy haiko na mbola hiova na tsia - fa raha izaho manokana aloha dia Faly fa afaka tao ary tsy nanenenako ny nijoroako
Farany , mety tsy hiaona intsony isika na mety mbola ifanena - fa aminizay fotoana izay , mety tsy hiteny intsony ianao hoe β je nβΓ©tais pas au courant Christina β
Izay no ela ! Mino aho fa voavakinao tsara ity , tsy manalabaraka nβa manatebaka anao akory fa milaza ny niainako tao izay tsy afaka nolazaina satria hono ianao tsy afaka ny andray ahy intsony -
Hafatra kely farany ! raha mbola olona matimboninahitra no manodidina , dia tsy ho avotra mihitsy fa vetivetydia ho rendrika.
Olona incorruptible aho ary mahafantatra nβy valeur ko anefa dia nandramanareo nohitsakitsahina aho ary nijoro foana .
Mety hoe ratra mbola mijanona anaty izany fa indrindra dia MΓDAILLE ngezabe ho ahy .
Tsy mitazona alahelo aho fa kosa , TSY MANADINO .
PS: Je ne vous souhaite ni malheur ni vengeance. Mais je vous souhaite de croiser un jour une version de vous-mΓͺme, pour que vous compreniez ce que vous avez fait subir aux autres. Que cette page se referme pour moi, mais quβelle reste ouverte dans votre conscience.
Misaotra anao namaky ,
Christina .
πΈsariko mbola niasa nafatrapo tao aminao io