06/08/2025
🦠𝗧𝗘𝗜𝗚𝗡𝗘 (NA MONGAHAISE OZY ISIKIA IZAY)
🔰Aretina vokatry ny bibikely sokajiana ao anatin'ny vondron'ny Champignons izay omena anarana hoe ny .
🔰Amin'ny volo no ankamaroany Teigne mpahazo ny olona , saingy mety ahitana azy io avokoa ny oditra(peau) amin'ny vatana rehetra sy ny hoho(ongle).
🟠Fisehony:
🔸️Raha amin'ny ( ) : Misy mamaritra sy miofakofaka amin'ny ilay odidoha, ary mihintsana na miongotra ilay volo eo aminy(lasa fragile ilay volo). Tahaka ny hoe maina be izany ilay faritra misy azy. Mangidihidy. Mahalana vao ahitana fiseho mivaramena na misy mibotsina kely na tsiranoka kely.
🔸️Raha amin'ny ( ) : Mamaritra sy miofaka ihany koa, ary mivaramena ihany koa; samihafa arakaraka ny toerana isehoany. Mangidihidy. Mety hisy fibontsinana kely vitsivitsy na maromaro izay arahina tsiranoka kely na tsy misy.
🔸️Raha amin'ny ( ) : Lasa matevina ilay hoho, miova loko, simba
🔸️Raha amin'ny ( ): Mahazo ny hoditry ny tongotra ary ny elakelatongotra no tena matetika voany. Mangidihidy,mivaramena, miofo ary ndraindray vakivaky.
🔴⚠️Areti-mifindra ny Teigne:
🔺️Mifindra amin'ny fifampikasoana amin'ny olona hafa voany na biby efa misy ilay Champignons ny Teigne.
🔺️Mifindra amin'ny alalan'ny fitaovana nampiasain'ny olona hafa voany ihany koa( fiogo, borosy, akanjo, sns.....)
🔺️Ankoatra ny fifampikasoana amin'ny biby sy olona mitondra azy dia azo avy amin'ny loto ihany koa ny Teigne( fotaka, vovoka,sns...)
🟠Inona no tokony atao raha voany!?
🔸️Mila midio amin'ny rano mafana, atao farany izay zakan'ny hoditra mba amonoina ilay otrikaretina.
🔸️Fampiasana savony na shampooings antifongiques
🔸️Fanosorana crème, pommade na Fihinana fanafody antifongiques nahazoana alalana sy toromarika avy amin'ny mpitsabo
🔸️Fanadiovana ireo fitaovana fampiasa andavanadro hiarovana ny fifindrany sy ny fihitarany ary tsy iverenany intsony rehefa sitrana
🔸️Vitaina hatramin'ny farany ny fitsaboana rehetra (traitement) mandrapa sitrany tanteraka. Mety aharitra herinandro maromaro izany, arakaraka ny toebatana.
🔸️ : Fanasana tanana matetika,tongotra; fidiovana ny vatana manontolo.
Mampita izay mahasoa