Ho an'ny zaza

Ho an'ny zaza Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Ho an'ny zaza, Grocers, Avaradrano, Antananarivo.

🥰
12/05/2026

🥰

🟨 Sakafo malagasy 7 manankarena calcium ho an’ny taolana matanjaka
Maro no mieritreritra fa ronono ihany no loharanon’ny calcium… Diso izany.
👉 Eto Madagasikara dia efa misy sakafo tsotra sy mora hita afaka manampy amin’ny fanamafisana taolana sy nify.

Ireto misy 7 tokony ho fantatrao:
1. Anana maitso (anamamy, anandrano, ravitoto)
🟢 Manankarena calcium sy minéraux ilain’ny vatana
🟢 Tsara hohanina matetika miaraka amin’ny sakafo andavanandro

2. Trondro kely hohanina miaraka amin’ny taolany (toy ny tsivakiny)
🟢 Ny taolana madinika no tena misy calcium betsaka
🟢 Mora levonina ary tena mahasoa

3. Voanjo (voanjo maina na voanjo nendasina)
🟢 Tsy calcium ihany fa misy magnésium koa
🟢 Manampy amin’ny herin’ny vatana

4. Ronono sy vokatra avy aminy (yaourt, fromazy)
🟢 Loharano calcium mora raisin’ny vatana
🟢 Raha mety aminao dia tsara ampidirina amin’ny sakafo

5. Voa sy graines (sesame / sésame - “tsimbaroa”)
🟢 Be calcium be
🟢 Azo afangaro amin’ny sakafo na hanina tsotra

6. Ovy sy ovy gasy
🟢 Misy minéraux manampy amin’ny fahasalaman’ny taolana
🟢 Sakafo mora hita sy mora atao

7. Tsaramaso sy legumineuses
🟢 Manampy amin’ny fanamafisana taolana sy hozatra
🟢 Tsara hohanina miaraka amin’ny vary

Zava-dehibe tokony ho fantatra:
Tsy ampy calcium irery ihany → mila vitamine D koa (masoandro maraina )
Aza be loatra ny zava-pisotro mamy sy soda → manalefaka taolana
Ny fahazarana andavanandro no mamaritra ny fahasalamanao

Tsy mila zavatra lafo na importé ianao vao ho salama.
👉 Ny sakafo malagasy akaiky anao ihany dia efa ampy raha fantatrao ny fomba fihinanana azy.
Lazao aminay: iza amin’ireo no tena hohaninao matetika? partge maximum

Fizarana Mahasoa

🥰
30/04/2026

🥰

🇲🇬Ny SIRA tsy mba fangataka

Amin'ny fomba malagasy, ny sira tokoa tsy mba fangataka. Ny sira mantsy dia midika ho HASINA anaty tokantrano, ka saropady izany. Misy ireo maniry hisompatra ny hasin'ny tokantranonao dia sira no angatahiny, alainy ny hasin'ny tokantranonao.
Hoy ny Ntaolo hoe : "raha toa ka mandeha miantsena, ny sira tsy mba fanafatra", izany hoe manandanja ny sira fa tsy mila hafarana.

N.b: Rehefa miresaka fomba sy finoana malagasy tahaka izao dia aoka tsy aratsiana rehefa tsy mino ianao, tahaka ny finoanao hafa ihany koa izay safidinao fa tsy ny anao ihany no marina.

🥰
30/04/2026

🥰

Ny tsy fahampian'ny kalsioma amin'ny zaza dia mety hisy vokany lehibe! 😟 Ireto ny sasany amin'izy ireo:

- Tara ny fitomboana sy ny fivoaran'ny taolana
- Ny fahalemen'ny hozatra
- Olana nify
- Mihabetsaka "déformation" ny taolana
- Olana ara-pahasalamana maharitra, toy ny "osteoporose" any aoriana

Tena ilaina ny manatona dokoteran-jaza raha toa ianao ka miahiahy ny tsy fahampian'ny calcium ao amin'ny zanakao. 🩺🛗

🔔Noho izany zava-dehibe ho an'ny zazakely ny calcium! 🌟 Ireto misy tombony azony:

- Manampy amin'ny fitomboan'ny taolana sy ny nify
- Manohana ny fiasan'ny hozatra sy ny "nerfs"
- Tena ilaina amin'ny fampidiran-dra (fikorinan'ny rà)
- Afaka manampy amin'ny fisorohana ny olana ara-pahasalamana amin'ny taolana any aoriana any

🔎Ny loharano tsara indrindra amin'ny kalsioma ho an'ny zazakely dia ny rononon-dreny, ary ny sakafo mafy toy ny :
🥦legioma maitso (brocolis )
🧀 vokatra vita amin'ny ronono (fromage, ronono soja , ronono omby )
🌾Flocon d'avoine
🥜Tsaramaso mena
🌿Amande

Fanomezana azy ireo : atao tafiditra amin'ny Sakafon-jaza isandro ! Ary mifandimby

Sakafon-jaza Donga.mg 🍀

Tsiro ho an'ny rehetra 🥰TIKO S.A
16/04/2026

Tsiro ho an'ny rehetra 🥰
TIKO S.A

16/04/2026

🇲🇬🙏Mirary fahasalamana Honorat, ho tody soamantsara amin izay fitsaboana atao any alavitra any. Misaotra ireo efa nanampy sy mbola hanampy azy

Address

Avaradrano
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ho an'ny zaza posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category