08/04/2026
tena marina
Ny taona 18 hatramin'ny 30, io ilay taona mifamaofao daholo ny zavatra rehetra😌💔
Mahita ny iray promotion aminao ny sasany efa manambady sy mananjanaka, ny sasany efa tafita be, ny sasany mbola miady mafy
Dia ianao eo afovoany…manontany tena hoe: “Aiza marina aho amin’ity fiainana ity?🥺
Io ilay taona hifindranao ho olon-dehibe, nefa ao anatinao mbola misy ilay “tanora te hiaina” nefa ny fotoana ihany koa mihazakazaka⏳ ary ny pression miakatra isan’andro…
Io ilay taona fahavitanao ny fianarana dia vao handeha hitady asa ianao dia efa tsy raisin'ny orinasa satria takiany 5 ans d'expériences
💭 Feno nofy… fa toa tsy mbola misy tanteraka ary tao ohatran'ny impossible daholo💔
Ny fanapahan-kevitra rehetra izay ho raisinao dia misy fiatraikany amin'ny ho avinao avokoa
Io ilay taona manome pression anao daholo ny manodidina anao: "mbola tsy manambady foana ve ee? mbola mipetraka ao amin'ny ray amandreny foana ve? mbola tsy manana stable foana ve?"😌
‼️Nisy fivoarana ihany koa izy io ankehitriny satria amin'ny izao vanim-potoana izao efa miaina ao anaty ny réseaux sociaux(facebook, instagram, tiktok, sns....) isika ary ny ankamaroan'ny tanora dia ao daholo
‼️Vao maika miteraka pression ny réseaux sociaux satria raha mi-scroll ianao dia ny ankamaroan'ny olona mamoaka ny zavatra tsara hiainany daholo (vacance Dubai, fiara raitra, trano, sary miaraka amin'ny unboxing, sns…) Toa hoe ny fiainan’ny olona rehetra parfait daholo…fa ny anao mbola miady🥺
Betsaka ny tanora no tafalatsaka ao anaty esprit de compétition vokatry ny réseaux sociaux, lasa mametraka fanontaniana amin'ny tenany izy oe fa ahoana ny fiainako no ohatran'ny izao… lasa mahatsiaro tena ho tara izy💔 lasa matahotra oe sao dia tsy ho tafita😭
Noho izany betsaka no tafalatsaka ao anaty dépression, crise, fampitahana ny fiainany amin'ny hafa, very, tsy hita izay lalana ho aleha, misy ary manantona psy, ary tonga hatramin'ny te hamono tena💔
👉Azoko tena mafy io taona io fa saingy mila fantatrao fa ny fiainanao dia tsy fiainan'ny hafa mintsy, tsy hainao fa filtre no betsaka hasehon'ny hafa aminao, ny zavatra tsara ihany no hasehony indrindra amin'ny réseaux sociaux fa tsy hainao izay olana hiainany any ambadimbadika any
Manana ny rythme anao ianao, Manana ny fotoana anao ianao.
Ary manana ny lalana nataon’Andriamanitra ho anao ianao izay tsy mitovy amin'iza na iza🙏
Androany izaho te hampahery anao✊ hoe tohizo ny lalanao, aza kivy, aza mampitaha ny fiainanao amin'ny hafa, aza mi-abandonne, na dia misy fotoana ary ianao kamo dia reseo ilay fahakamoana fa mitsangana, fafao ny ranomaso dia mitrakà🥹, miezaha foana fa indray androany tsy maintsy ho tratra io tanjonao io raha mifikitra ianao ary tsy ho anenenanao ny hezaka rehetra izao ataonao manomboka androany✨
Ary ny zava-dehibe indrindra araho vavaka izay rehetra ataonao ary ankino amin'i Jesosy fa tsy maintsy mivoaka ho mpandresy ianao 🙏 indray androany ho tour-nao ny ho tafita🥹✨
💌Jeremia 29:11 "Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany."