07/06/2023
😊FAMAHANA NY OLAN'NY JIRO TAPAKA MATETIKA: HIVERINA AMIN'NY LAONINY MANOMBOKA NY ZOMA IZAO NY TAMBAZOTRA IRAISAN'ANTANANARIVO🙏
📌 Olana eo amin'ny fahataran'ny famatsiana solika no tsy maintsy nirosoan'ny JIRAMA amin'ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'ny Tambazotra iraisan'Antananarivo (RIA).
Nampitomboina nanomboka androany ireo Camion lehibe mpitatitra solika sy menaka mavesatra ny JIRAMA.
📌 Ny Alarobia izao no hiverina amin'ny laoniny io famatsiana solika io, ka ny faran'ity herinandro ity no hiverina amin'ny laoniny manarak'izany ny famatsiana herinaratra, hoy ny Tale Jeneraly Mpisolo Toeran'ny JIRAMA Hery Tiana RABARISON.
Nitondra ny teny fialantsiny ho an'ny Mpanjifa nanoloana mpanao gazety ihany koa ny JIRAMA tetsy Ambohijatovo ny maraina teo.
Copyright ©️ VIVA Evènement
📷 VIVA
Fitia Madagascar et son avenir