05/05/2026
Aona ty zalah🤭
Voasambotra ny alin’ny sabotsy teo i Naivo Raholdina, depioten'i Madagasikara voafidy tao amin'ny boriboritany fahadimy (5ème Arrondissement) Antananarivo. Nentina any Fiadanana izy ary hanaovana fanadihadiana.
Ny antony fisamborana kosa no mbola tsy nahazoana angom-baovao. Vao avy nodidiana, nitsabo tena tany ivelany i Naivo Raholdina ity voasambotra ity.
Tsy teto Madagasikara mihitsy izy tao anatin’ny volana maromaro. Ny zoma teo izy no nigadona an-tanindrazana ary no nosamborina teny an-tranony teny Analamahitsy, araka ny loharanom-baovao hatrany.
Marihina fa ny depiote Naivo Raholdina dia mpikambana ao amin'ny vondrona politika IRMAR (Isika Rehetra Miaraka amin'i Andry Rajoelina).
©️ Gazetiko