08/01/2024
Littéraire aho.
1,25/20 ny mathématique'ko tamin'ny bacc. Nefa afaka soamantsara aho.
Tsy aiko amin'izao vanim-potoana izao fa tamin'ny andronay dia nolazaina fa sarotra be aminay litteraire hono ny ho tafita; vitsy hono ny handray anay hiasa ao aminy... nefa dia tena tsy nety nahay an'io matière iray io aho
Mifantsika ato amin'ny eritreritro hatramin'ny salova-tavan'ny prof de math rehetra nampanao punition ahy tamin'izany fotoana izany...
Raha nampahomby ny nanao punition, za no nahomby indrindra.
Vao manomboka ny cours dia manoaka aho, tsy fanahiniako fa tena tsy misy zavatra azoko hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany...
Ohatran'ny omby mijery flora aho...
Zao foana ny zavatra naverimberiko tato an-tsaiko, izay sehatr'asa tsy misy mathématique no ho ataoko rehefa vita ny bacc.
Izany indrindra no nifidianako ny filière hôtellerie sy restauration, izay nahafahako nilefa mathématique... hay kay tratran'ny gestion hôtelière koa kay tany... dia tsy misy zavatra azoko hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany indray 😃
(dinganiko kely ny tantara)
18taona taty aoriana, mpandraharaha aho... tsapako fa misy zavatra mampatahotra ahy ao anaty orinasa: inona ary oh???
Natahotra ny resaka chiffres rehetra ny tenako!!
Haiko ny manisa vola saingy rehefa nitombo ny isan'ny orinasako, ny clients, ny mpiasa, ny fournisseurs dia ohatran'ny tsapako fa miasa maina aho...
Miditra ny vola fa tsy fantatro hoe mankaiza?
Mifangaro ny volan'ny orinasa samihafa, mifangaro amin'ny volako...
Tsy fantatro akory hoe very vola aho, tsy fantatro hoe misy mikepoka ny vola ato!
Tsy fantatro akory hoe manao bénéfice ohatrinona mazava tsara aho...
Nanomboka teo dia tsapako fa tsy maintsy mianatra comptabilité aho. Dia tsy napoiziko fa nahay aho...
Ny nahagaga dia ity, mora tamiko ny ni'comprendre an'ilay izy satria nanana antony amin'izay aho!
Hoy aho hoe: potika ny orinasako raha tsy raisiko an-tanana zao dia zao
Hoy aho hoe: very vola aho rehefa tsy mahay...
Mitodika aminao manokana aho androany...
Mahay mitady vola ve ianao fa tsy mahay mitantana?
Voafehinao ve ny fizotran'ny vola mihodina rehetra ao amin'ny orinasanao?
Sa ianao ilay manao sonia an-jambany an'izay asain'ny comptable'nao soniavina fotsiny?
Na mpandraharaha ianao na tompona orinasa, na hanangana orinasa, na madinika na goavana... ilainao ny mahalala "bases" mba hahafantaranao ny "opérations" miainga rehetra sy ny tokony ho atao rehetra hahatratrarana tanjona.
Nosivaninay ary natambatambatray izay tokony ho ilain'ny mpandraharaha vao manomboka rehetra momban'ny GESTION, FINANCE, COMPTABILITE ary FISCALITE... ary natambatray ao anaty harona iray antsoina hoe: "FINANCE STARTER PACK 2024"
Mahaliana ve izany rehetra izany?
Misy remise taona vaovao atolotray anao raha zao dia zao ianao dia miditra sahady.
Tsy fampianarana fotsiny izy io fa fampitaovana mihitsy.
☎️034 11 250 00