Ny ao ambadikiny penina

Ny ao ambadikiny penina Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Ny ao ambadikiny penina, Grocers, Ambohimanarina, Antananarivo.

25/12/2024

Raha misy olona anananao "VOLA" any de aza takiana intsony fa aleo ataony Bonne Annee🥱

Sur ehh😂
25/12/2024

Sur ehh😂

Le @2 amnao😅
25/12/2024

Le @2 amnao😅

🎤🎤🎤
22/12/2024

🎤🎤🎤

Maninona raha mba mentionnena izy mba jerena kely🤦🏻‍♂️
07/12/2024

Maninona raha mba mentionnena izy mba jerena kely🤦🏻‍♂️

REHEFA MATY la vie après la mort(mialohany amakinao de manasa anao I_Abonnez tompoko)Anisan'ny tranga iray nisongadina i...
01/11/2024

REHEFA MATY
la vie après la mort(mialohany amakinao de manasa anao I_Abonnez tompoko)

Anisan'ny tranga iray nisongadina indrindra amin'ireo tantara mistery rehetra ity tranga iray tany andafin'ny riaka ity.
Fanotaniana matetika mipetraka tokoa ny hoe ; "inona no miseho rehefa maty?" . Toa fanotaniana kidaladala, hoy ny fomba fitenintsika indraindray. Ny mpamaly koa etsy andaniny miteny hoe : "fa iza no efa tany".
Marina tokoa izany, samy tsy nisy mbola tany isika matoa mbola mamaky ity ranty ity fa samy mbola anatin'ny tontolon'ny velona.
Misy anefa ilay teny iray antsoina hoe "POROFO", izay manamarina ny fisiana iray...eny fa na izay tsy eritreretinao aza rehefa voaporofo dia ekenao hoazy izany.
Ka asa raha anisa'izany hoe porofo izany ity tantaraiko manaraka ity, fa amiko izay manoratra dia, manaiky aho fa porofo ity, manamarina ny fisian'izany hoe fiainana aoriana'ny fahafatesana izany.

Nitaraina ny manjo azy ny amin'ny zanany ity renim-pianakaviana iray ka nanapa-kevitra haka irony mpitaiza sy mpikaroka ny ara-tsaina irony (Psychiatre)
Hoy izy nitantara ny momba ity zaza ity tamin'io Psychiatre io:

io zanako io, toa tsy mba mitovy amin'ny zanak'olona rehetra, mangingina tsy dia be teny tampoka, varimbariana izany, toa malo-dava sy tia mitokatokana
Fa ny tena tsy zakako dia izaho toa lasa mahatsapa elanelana aminy, toy ny tsy Reniny niteraka azy mihintsy indraindray ary izany indrindra no tena tsy tantiko aminy.
Lazainy fa misy reniny any hoany, lazainy fa misy rainy any hoany, lazaina fa tsy ato aminay ny tena tranony ary tsy tena reniny hona aho fa any izay reininy tena reniny izay...ka milaza ho malahelo an'io lazainy fa tena reniny io foana izy, hany ka lasa mitady hiteraka haretim-po ho anay izany.
Indraindray aza moa manongo tena sy mitady hanamelon-tena mihintsy izahay mivady ato, hoe; sao mba nisy nanakalo tany amin'ny trano fiterahana aza ity zaza ity ka tsy tena zanatsika tokoa??

Rehefa avy naheno izany moa ity Psychiatre dia namoaka finday avy hatrany ka niantso olona hafa...

"Andraso fa misy olona ataoko miresaka aminareo fa misy olona mahavaha ity olanareo ity any" ...hoy izy!

Tonga tokoa ilay olona nantsoina, naverin'ireto Ray aman-dReny notantaraina indray ny olana.
"Mazava izay...fa mba afaka avelanareo miresaka mitokana amin'ilay zaza ve aho?" hoy ity farany...ary dia navela niresaka irery tao an'efitra tai moa ireo.

Nony vita izay, dia nantsoiny nitokana ireto Ray aman-dRenin'ilay zaza ka toy izao ny resaka nifanaovan'ireo :

###### no anarako, tsy Psychiatre toy io namako io aho fa olona mpikaroka sy mpandalina ny ara-panahy sns...ary indrindra Voyante aho no sady Médium
izay indrindra no ilazako izao zavatra izao aminareo mivady.
Tsy marary saina velively ny io zaza io, ary tena salama tsara ara- batana sy ara-tsaina izy fa tsy arak'izay mampiahiahy anareo akory.
Tsy misy atahorana ny aminy ary amin'ny maha zaza azy dia MARINA avokoa ireo rehetra nambarany ireo.
Nanonona toerana io zaza io, any ilay lazainy fa tena trano fonenany sy misy ny ankohonany. Hitako io toerana io, ka andao isika hiaraka hoany dia any isika mahita ny tohiny...ambarako anareo any ny marina tsy fantatrareo.

Nony avy eo, naka fiaramanidina madinika ireo nofaina andehanana any amin'ilay toerana, an-jatony kilometatra miala eo manko no misy io toerana lazain'io zaza io.

Rehefa tonga tany an-toerana afaka ora maromaro, nigadona teo an-tseranana ny fiara-manidina.
Vao tafavoaka ny seranana ireo, dia nirotsaka avy hatrany ny ranomason'ilay zaza. Nikoropaka noho izany ity reniny, ka andeha hanantona hanambitamby.

"aza antonina izy fa aleo ho amin'izao!!" hoy ilay médium tamin'ilay reniny.
Gaga ny reniny ka nanotany ny anton'izany.

"tonga aty amin'ny tanànany fahiny izy ka mitamberina ny fahatsiarovany rehetra" ...hoy ity médium

Nony avy eo moa dia nantsoin'ilay médium ilay zaza ka hoy izy tamin'ilay zaza : " Andao tarito ny lalana, ento makany an-trano izahay"

Kelikely moa io toerana io, vita dia tongotra sy akaiky avokoa ny lalana rehetra, manamoron-dranomasina ny ilay seranam-piaramanidina kely, ary ny ilany kosa dia tanàna amoron-dranomasina voadidina torapasika.
Hany ka nitari-dalana avy hatrany ity zaza, narahan'ireo rehetra avy ao aorina.
Nony lasa lavidavitra, nijanona ilay zaza, niainga ny tanany... toa manondro, manondro trano iray.

médium : inona izany tondroinao izany?

zaza : io ny tranonay taloha, tao izahay no nipetraka taloha

Tena valalanina ireto Ray aman-drenin'ity zaza, gaga amin'ny zava-misy...nefa mbola tsy nahavaly ny zavamisy aloha izany hatreo.

Fa vita izay, dia nandroso niditra avy hatrany moa ilay zaza. Trano efa foana tsy misy mipetraka intsony moa io trano io fa ny entana sisa no mbola misy tavela vitsivitsy tao.
Fa nahagaga ny rehetra, toa hain'ilay zaza tsianjery avokoa ny efitrano rehetra, natorony hatramin'ilay farafarakelin-jazakely (berceau). " ity ny fandrinan'ilay zandriko" hoy izy....

medium : fa iza avy nareo no nipetraka tato?

zaza : dadanay sy neninay, dia zaho sy ilay zandrikeliko. Nanana alika ihany koa zahay. Alika be volo be mainty fotsy "Rocky" ny anarany.
Milalao eny amoron-dranomasina miaraka amin'i Rocky foana izahay taloha.

tsy nahateny moa ireto farany fa dia varina avokoa ny amin'ny zavatra lazain'ilay zaza.

Ka nony avy eo dia hoy ilay medium, "andao isika hoany amin'ny biraon'ny firaisana (mairie) vetivety fa any no sisa manaporofo ny zavatra rehetra"

Tonga tao amin'ny "Mairie" ireo, nazavaini'lay médium tamin'ilay ben'ny tanàna moa ny zava-nisy.

medium : mba afaka azavainao aminay ve ny momba an'ilay trano mifefy hazo ary amoron-dranomasina io?

maire : ireto fianakaviana ireto no nipetraka tao fahiny (sady namoaka sary ilay maire)

akory ny hatairan'ilay renin'ilay zaza nahita ilay sary, ireo anaty sary avokoa izay notantarain'ity zanany.

Sarina fianakaviana iray milalao eo amin'ny tora-pasakia, ny tao amin'ilay sary :
-raim-pianakaviana
-renim-pianakaviana
-zazakely iray sahabo ho 2 taona latsaka (ilay nolazain'ilay zaza fa io ny zandriny)
-ary zaza iray mitovy taona amin'ity farany , misangy alika be volo iray miloko mainty sy fotsy

medium : mety hainao ve ny anaran'io alika amin'ny sary io tompoko?

maire : ieny, Rocky no anaran'io, alika tena nahafinaritra teto an-tanàna io

medium: ary inona ny antony nahatonga ilay trano tsy misy mipetraka intsony?

maire : maty teo an-dranomasina ilay zaza iray zokiny amin'ny sary io, ka izay no nahatonga ireo fianakaviana ireo nisafidy tsy hipetraka amoron-dranomasina intsony. Tsy nitondra entana betsaka ireo niala teo, ary niala malaky fa tsy zakan'ireo ny mijery ilay ranomasina fa mampatsiahy azy foana an'ilay zaza maty hono.

Nilatsaka ny ranomason'ilay renim-pianakaviana raha vao naheno izany, satria izay vao azony toky fa marina avokoa izay nambaran'ity zanany.

Reniny : fa inona izany no anton'izao zavatra rehetra izao?

Medium : io zaza efa maty (amin'ny sary) io ihany io zanakao io... mba ahafahanao mahazo tsara ny tiko ambara dia izao no anazavako azy aminao:

-rehefa maty an-drano io zanak'olona io, dia niverina indray ho velona, amin'ny alalan'ny zanakao io izany.
Somary lalina ilay izy fa azo lazaina hoe lalànan'ny natiora hoa anay mino izany, izany no antsoina hoe fiainana faharoa na " La vie après la mort"
..
FEHINY :
amehezako azy (izaho izay manoratra) , maro no mbola tsy mino ny antsoina hoe Cycle de la vie, fa raha amiko manokana io tranga io dia mitombona tsy misy adihevitra.
Asa anao mamaky io...raha mino na tsia, fa na izany na tsy izany dia FENO MISTERY maro eto amin'ity fiaianana sy tontolontsika ita

Makasitraka
Tranga 2024

Source : émission PHÉNOMÈNE PARANORMAL

Aza adino manindry soratra manga👆🏻
01/11/2024

Aza adino manindry soratra manga👆🏻

Aza adino ny manindry ny soratra manga👆🏻
01/11/2024

Aza adino ny manindry ny soratra manga👆🏻

Address

Ambohimanarina
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ny ao ambadikiny penina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category