10/05/2026
Ny mahatafita anie dia :
Ianao mifantoka amin’ny tanjonao, fa tsy amin’ny fiainan’ny hafa e.
Ianao miasa mafy, fa tsy miandry tolorana.
Ianao manana fisainana miabo, fa tsy mora kivy amin’ny olana mandalo.
Ianao tsy mitahiry alahelo amin’ny olona tsy miraharaha anao, fa ny hoavinao no ataonao laharam-pahamehana.
Mety hangidy izany.
Mety harary izany.
Fa amin’ny fiainana, aleo mandray fanapahan-kevitra sarotra anio,
raha izany no hanandratra anao rahampitso,
toy izay hijanona amin’ny zavatra na olona tsy fantatrao akory raha hiova.
Avelao handeha izay tsy te hiara-dalana aminao.
Avelao hiala izay misafidy lalana hafa.
Tsy voatery hanambitamby olona foana ianao.
Ary tsy mila miandry tambitamby koa ianao.
Satria rehefa tena matanjaka ianao,
ny fitiavana sy ny lanjanao dia avy ao anatinao, fa tsy avy amin’ny hafa.
Réussir avec Martin