Eat clean with Faly

Eat clean with Faly Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Eat clean with Faly, Health Food Shop, Ambatolampy Tsimahafotsy, Antananarivo.

L'avocat/ Ny zavoka 🥑Mitobaka izy izao eny an-tsena eny ka andeha ho resahana kely ihany.Manan-karena lipides  ity voank...
14/05/2026

L'avocat/ Ny zavoka 🥑

Mitobaka izy izao eny an-tsena eny ka andeha ho resahana kely ihany.

Manan-karena lipides ity voankazo iray ity fa indrindra ilay Oméga-9 izay "acides gras monoinsaturés" (tsy hidirantsika lalina loatra fa anisan'ireo acide gras "essentiels" izy na koa hoe tsy vitan'ny vatana ny manamboatra azy fa mila ampidirina amin'ny alalan'ny sakafo)
Ity acide gras iray ity dia "hypotriglycéridemiant" (afaka mampihena ny tahan'ny triglycérides, afaka mampihena ny tahan'ny cholestérol total ihany koa izy. Mahatsara ny fahasalaman'ny fo sy ny lalan-drà.

Ankoatr'izay dia manankarena "fibres" koa izy izay manampy betsaka ny fandevonan-kanina na ny "digestion" fa sady mora mahavoky fa matevina be 🙊😂.

Mbola ananany koa ny vitamines E, C, B ary manana potassium sy magnésium ihany koa.

⚠️Mila fandanjalanjana ihany anefa ny fihinanana azy, indrindra ho an'ireo izay manara-maso akaiky ny lanjany, satria raha samy voankazo dia tena "calorique" izy satria be lipides kokoa mihoatra ny hafa nefa ny Lipides 1 gramme dia efa 9 kcal, raha 4kcal ny glucides 1 gramme 🧮.
🔹Ohatra: raha mihinana 200g izany ianao, misy lipides 40g ao izany hoe efa 360 kcal izay ilay zavoka 200g fotsiny 🙄
No sady misy fatra sy fetra ihany koa ny fampidirana ny Lipides amin'ny sakafo mankany amin'ny vatana.

Fantatrao ve fa? Efa ny 70 isan-jato no vitanao raha zarainao efatra ny lovia isaky ny misakafo ?- 1/4 Glucides complexe...
24/03/2026

Fantatrao ve fa?

Efa ny 70 isan-jato no vitanao raha zarainao efatra ny lovia isaky ny misakafo ?

- 1/4 Glucides complexes 🍠🥔🥖 : vary mena, flocons d'avoine, vomanga, pâte complète..
- 1/4 légumes vapeurs na cuites à l'eau 🥕🥦 : carottes, haricots verts, brocolis, courgettes...
- 1/4 protéines 🥚🥩🍗🫘 : atody, hena, trondro, akoho....
- 1/4 crudités sy/na fruits: 🥒🍎🍏🥭🥝🍓🍉 : pomme, poire, pastèque, laitues, tomates, poivrons....

Tsy adino ny produits laitiers 🧀 : fromage, yaourt.

Efa mahafantatra ianao izao fa alefaso amin'izay 😁. Zarao sao mahasoa ny hafa 🤗

(Ity zao sary tany aminareo ihany 📸)

21/03/2026
Ianareo koa ve mihinana "gâteau" 🍰?(Ho lavalava izy ity 🤭)Ary raha atao lasa "stratégie" kely hanampiana ny vatana ny "u...
13/03/2026

Ianareo koa ve mihinana "gâteau" 🍰?
(Ho lavalava izy ity 🤭)

Ary raha atao lasa "stratégie" kely hanampiana ny vatana ny "une part de gâteau"? 💡
Liana? (Tendan-kanina ki nareoooo 😂)

- Leptine (hormone de satiété) 🧬: rehefa anaty R.A lavalava iny dia midina ny tavy, midina koa miaraka aminy ny famokarana "leptine", rehefa mihena io dia mahazo baiko miakatra ny ati-doha 🧠 hoe "noana isika fa ajanony aloha izay azo ajanona". Eo no alefany miadana amin'izay ny "métabolisme".
Ny bitsika atsy anefa mandeha be hoe atsy misy Red Velvet, atsy misy Cheese Cake 🤭...dia lasa fa tsy tana e 🤪.
Nihinana, nampiditra calories misimisy tampoka, vokany : nitohy ny famokarana leptine ; niakatra ny hafatra 🧠 : "tairo mandroso fa tsy olana" (redémarrage système : rétablissement du métabolisme).

- Sérotonine (hormone du bonheur) sy Cortisol (hormone du stress) 🧬: vitsy kosa no sorena rehefa avy mihinana gâteau e 🙄, raha tsy hoe tsy nijery prix avant de consommer 🤦.
Rehefa miakatra ny famokarana Sérotonine dia midina ny famokarana Cortisol.
Ity Cortisol ity rehefa ambony dia mora manangona tavy kokoa ny vatana indrindra fa eo amin'ilay tiana alàna iny. Raha terena ajanona daholo anefa ny "plaisir" rehetra dia stressé ny vatana dia ambony ny famokarana azy io.

Dia izay, "une part de gâteau" ilay resaka eto, tsy isan'andro koa 🤭🙄, "UNE PART DE GÂTEAU" fa tsy hoe lasa actionnaire an'ilay salon de thé sy pâtisserie akory ianareo 👌

Tsara ny mikaroka, tena tsara fa hafa kokoa raha hamafisina anaty fianarana ilay izy sady tohizana ihany foana ny fikaro...
04/02/2026

Tsara ny mikaroka, tena tsara fa hafa kokoa raha hamafisina anaty fianarana ilay izy sady tohizana ihany foana ny fikarohana fa fianarana ny fiainana. Ity izao certificat tany amin'izany Educatel izany ahafahako manampy sy manoro anareo mpanaraka ahy ato 😁👊
01/10/2024 ny daty manjavozavo kely

Ka ahoana? 🙊 Efa misasaka ny volana androany! Sa aleo aloha hiandry Février fa mbola misesy ilay fifampiarahabana 😂.Tsy ...
15/01/2026

Ka ahoana? 🙊 Efa misasaka ny volana androany! Sa aleo aloha hiandry Février fa mbola misesy ilay fifampiarahabana 😂.

Tsy maninona anefa izany, marathon izy ity fa tsy course de vitesse 😁.

Tandremo fotsiny ny mampitaha ny étape 1 anao amin'ny étape 10n'ny manodidina anao 👌.

It's You vs You 👊

Courage be daholo 😘

10/01/2026

Raha itanao fa efa tena mety kosa izany sakafo izany nefa miziriziry be ilay chiffre eo amin'ny balance dia ovao kely amin'izay ny "habitudes" kely :
- mandeha tongotra matetika
- mitsangana kely miodina mody mitady zavatra 5 minitra isaky ny adiny iray 🙊
- mitsangana rehefa hiantso na hanoratra sms na hilalao finday
- mody eritreretina hoe tapaka ny jiro dia mandeha tohatra fa tsy ascenseur
- raha tsy atahorana hisy hanendaka dia mandeha tongotra kely rehefa mody
- .... Maro izy ireo fa efa hitany be ireny "gestes" kely ialana amin'ny tsy fietsehana ireny.
- Na ndana miditra salle de sport koa 🙊
Mazotoa jiaby ooo

Manana tombony be isika fa rehefa eny an-tsena eny dia mbola maro azo isafidianana ny sakafo, sady mbola "frais" tsara (...
03/01/2026

Manana tombony be isika fa rehefa eny an-tsena eny dia mbola maro azo isafidianana ny sakafo, sady mbola "frais" tsara (ny ankamaroany). Mbola voatahiry daholo izany ny zava-tsoa rehetra ao anatiny (na mety misy very amin'ny ampahany kely ary).

Mikaroka kely fotsiny dia afaka mahazo "assiette équilibré" tsara.

Matetika anefa somary maika isika no sady mifantoka mafy any amin'ilay tanjona (izay zavatra "normal" satria "tanjona" io kou 🙊) dia na midina ambany loatra (raha manena vatana ilay resahana). Mahita vokatra fa kivy ihany afaka andro na herinandro vitsy satria tsy mietsika intsony ilay lanja nefa ny "effort" sy ny "sacrifice" efa tena mafy.

Eo no ilàna ilay kajikajy tsara mba tsy handreraka sy ho vita amin'ny fotoana lava ilay izy, no sady salama ihany koa

30/12/2025

Fisaorana be dia be no anterina ho antsika rehetra niara-dalana sy hiara-dalana amin'i Eat clean with Faly , misaotra amin'ny fahatokisana, misaotra amin'ny faharetana, misaotra amin'ny fifampizarana.

Tononina manokana i Mialy Randrianarivosoa izay manaiky hatao cobaye sy manampy betsaka amin'ny asa rehetra atao 💐

Hisy fanatsarana ho avy ny amin'io taona ho avy io 😁, samy ahatratra ny tanjony avy isika 👊

Manaova fety sambatra daholo tompoko.

Misaotra foana foana 💓💓💓

Address

Ambatolampy Tsimahafotsy
Antananarivo
105

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Eat clean with Faly posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share