17/10/2025
MAHEREZA...
Mahereza ianao ry foko
Fa izy tsy anjara anao
Mahereza ry saiko
Fa izy tsy ho malala anao
Mahereza ry tananko
Fa izy efa misy mitantana
Mahereza ry molotro
Fa ianao tsy natao hanoroka,
Fa maheraza ianao ry foko
Satria izy tsy ho anao
Mahereza ry fanahiko
Fa izy tsy ho ilay silakao
✍🏻Ny aina Liantsoa N.A.L
Joina 2924