26/12/2025
HAFATRA HO ANTSIKA KRISTIANINA AO AMIN'NY ÉGLISE MASINA CATHOLIQUE 😇
NB: Asaiko anao mba hamaky ka hatramin'ny Farany, fa tena intéressant be ho an'ny Finoana Catholique. Ialana tsiny raha toa ka somary lavalava sy misy Tsipelina diso. Mazotoa Mamaky dia samy ho tahin'Andriamanitra 😇
Be dia be amintsika ngabany no milaza na mieritreritra hoe tady ho voahozongozona ny finoana maha Catholique azy. Inona moa no tanjon'ny Satana ra tsy izany? Ary tsy maintsy amin'ny alalan'ny fomba rehetra hitany fa mahomby no anaovan'izany fa tsy hevitra tsotsotra akory, tsy maintsy ny maha olombelona atsika no fika hamitahany atsika, amin'ny alalan'ny nofo sy fo ary ny fisainan tsika no tafihany.
*Fitaka amin'ny alalan'ny nofo: sarihiny amin'ny fahafitaneratan'ny nofo tsika, na koa zavatra mifanohitra amin'izany toy ny fampijaliana sy famonoana mintsy.
Ohatra: Fahagagana sy fampanantenana harena be ary Fanasitranana, ary ny fiainan'izao tontolo izao. Na ihany koa fampijaliana sy Famonoana nohon'ny Fanenjehana ny Fivavahana.
*Fitaka amin'ny alalan'ny fo: ny hambompo ntsika no fika amitahany antsika: ohatra hentim po amin'ny hadalan'ny mpitondra fivavahana na Relijiozy ratsy fitondran tena.
*Fitaka amin'ny alalan'ny Fanahy na Fisainantsika: ity indray dia ny saintsika sy ny Fahalalantsika mintsy no Fitahiny amin'ny alalan'ny lainga tsara lahatra. Ohatra: Be dia be ireo lainga tsara lahatra ny fitaka ataon'ireo fiangonana zandriny hoe ny Catholique dia ilay Bibidia voalazan'ny Apocalypse.
Tsy maintsy amin'ny alalan'ireo zavatra telo ireo ihany no hamitahan'ny Devoly atsika, ary ny Vavaka irery ihany no fitaovam piadiana iadivantsika amin'izany.
IREO KARAZANA FANENJEHANA NANDALOVAN'NY ÉGLISE MASINA NANDRITRAN'NY TAONA MARO:
Tamin'ny voalohany indrindra dia ny fitaka amin'ny alalan'ny fampijaliana ny nofo no niseho, mafy dia mafy ny Fanenjehana ny Fivavahana Kristianina tamin'izany, vonoina sy Ampijaliana ireo zay tratra fa Kristianina Catholique.
Ny Jody (30-70 ap JC), ny Empire Romain (50-311 ap JC), n Silamo (700 ka hatramin'izao), ny Révolution française (1789-1800) tamin'ny andron'i Napoléon Bonaparte izay namono nahafaty ny Papa Pie 6 mintsy ny 1798, ary be dia be ireo Relijiozy maty maritiry, ny N**i (Hi**er 1935-1945), ireo no tena namono nahafaty ny Kristianina Catholique betsaka.
Ny manaraka dia ny fitiavan karena sy ny Fahafinaretan'ny nofo dia nahasarika ny mpitondra fivavahana maro tamin'ny Moyen âge (7è siècle-13è siecle).
Ary izany zavatra izany dia niteraka fanafintohinana tamin'olona maro ka nentin'ny habom po izy ireo nanangan kevitra hanohitra ny Église, sady nentin'ny Fitiavan tena sy avonavona ary fialonana. Ireo tranga tena nalaza amin'izany dia ireo fiangonanana naterakin'ny Réforme. Ka ny fomba nentin'ny devoly namitahana tamin'izany dia ny Fanaratsiana amin'ny alalan'ny lainga tsara lahatra.
Misy ihany koa ireo vondron'olona manam pahaizana manohitra ny Fivavahana tsotr'izao, ary ireo mpanaraka ny foto kevitr'izy ireo dia lasa tsy tia Église ihany koa, toy ireo philosophe sy scientifique (Copernic, Carl Marx,...)
Misy ihany koa ireo Mpanao Politika Malaza sady dictateur toy ry zareo Socialiste sy URSS notarihin'i Lénine sy Staline. Ry zareo no nampitifitra an'i Papa Jean Paul II ny 13 mai 1978, nokaramaina ilay Tireur d'élite Ali, soa ihany fa tsy nahafaty an'i Jean Paul2 izany, navelan'i Papa heloka ilay nitifitra azy. Ary rava ny Union Soviétique tamin'ny taona 1990.
ADY AMIN'NY FRANC MAÇON:
Ity no Fahavalon'ny Église tena henjana indrindra amin'izy rehetra ireo satria ity dia mampiasa ny fomba rehetra mba handravana ny Église Masina, ahitana Olona tena manan karena sy manam pahaizana izy ity ary maneran tany. I Pape León 13 no isan'ny Papa niady mafy tamin'izy ireo.
HISTOIRE :
Tamin'ny voalomboalohan'ny 13è siècle no tena niantombohan'ny ady entre Église sy Société secrète ity. Ireo Templier izay miaramilan'ny Église miaro ny Tany Masina (Israël) ihany no razamben'izy ireo. Fa ireo Templier ireo kosa dia nahita ilay Trésor malaza hoe "Trésor du Roi Salomon" tao ambanin'ny Tempolin'ny Jerosalema, dia nanan kevitra izy ireo hoe ho tazomin'izy ihany ilay harembe, sady tsy noraharahain'izy ireo intsony ny andraikitr'izy ireo miaro ny Tany Masina (Israël) satria efa lasa mpanan karembe. Ary eto ny zavatra izay tsara ho fantatrin'ny be sy ny maro hoe maninona ny Tanana Masina no lasa voababon'ny Silamo satria ireo Templier dia tsy nanao ny andraikiny intsony.
Ka namoaka didy ny Papa tamin'izany i Clément V fa tsy maintsy helohina ireo Templier rehetra, ary ny Roi de France Philippe le Bel no nanatanteraka ny Fanamelohana sy Fanafihana ireo Templier ireo. Tantara tsy adinon'ireo sociétés secrètes mandrakizay izany. Maro no maty tamin'ireo Templier ireo ary maro ihany koa ny velona. Dia ireo sisa velona ireo no nanangana ny société secrète miaraka amin'ny Harembe izay hitan'izy ireo.
Ka ny tanjona izy ireo voalohany indrindra dia dia ny hamalifaty ny Église sy ny Papa ary ny Fanjakan'ny Mpanjaka Frantsay, ary ny hano***a ny "nouvelle ordre mondiale" ihany koa ka supprimEna avokoa ireo ny Église sy ny Fanjakan'ny Mpanjaka rehetra.
Ravan'ny Franc Maçon Napoléon Bonaparte (Liberté, l'égalité et Fraternité dia devise an'ny Franc Maçon fa nalain'ny République Française ihany koa ilay izy) moa ny Fanjakan'ny Mpanjaka tany Frantsa tamin'ny Révolution française ny taona 1789 sady nohelohina ho faty ny ankamaroan'ny andriana Frantsay sady norobaina ny Fananany.
Mbola i Napoléon Bonaparte ihany koa no nanenjika ny Église Masina tamin'izany ka voasambotra ny Papa tamin'izany dia i Pie VI ka nalefa sesitany tany Valence ary maty maritiry nohon'ny Fampijaliana nahazo azy ny taona 1798. Mafy ihany koa ny Fanenjehana nahazo ireo Relijiozy tamin'izany, sady maro tamin'izy ireo no notapahin doha sy novonoina tamin'ny fomba hafa. Nieritreritra ireo Franc Maçon fa io no fotoana haharavan'ny Église. Ny hany sisa tavela hoy ireo dia ny hisarihana ireo Kristianina hiala tao amin'ny alalan'ny Fivavahana Kristianina ihany. Ka nanangana Fivavahana Kristianina zandriny izay nitondra foto kevitra tena vaovao izy ireo mba hisaritana azy ireo (Tsy afaka manonona anaran'ilay Fiangonana isika ho Fanajana azy ireo, fa refa mitsidika ny fasan'ny Mpamorona ireo Fivavahana ireo isika dia misy ny signe Franc Maçon ny Fasany). Fa soa ihany fa tsy naharava ny Église Masina izany paikadin'izy ireo izany, sady tsy ho ravany mandrakizay mintsy. Niova indray ny Paikadin'izy ireo taty aoriana, dia ny Fisarihana ireo mpitondra Fivavahana Catholique (Cardinal, Eveka, ary Pretra) amin'ny alalan'ny harembe mba hiditra membre Franc Maçon. Ny tanjon'izy ireo amin'izany dia mba ho lasa Papa ny iray amin'izy ireo. Ny Franc Maçon no namono nahafaty ny Papa Jean Paul 1 ny taona 1978 ra toa ka tsy ampy telo volana akory ny naha Papa azy. Araka ny Fahitan'i Padre Pio Olona Masina dia malahelo mafy i Kristy amin'ireo Pretra Franc Maçon ireo.
Misy Fombafomba (rite) Franc Maçon sasany tena maneho ny tsy Fitiavan'izy ireo ny Église.
Ohatra ilay vavak'izy ireo malaza hoe "ave satani,................ délivrez nous de l'autorité du Pape,.................." De ao amin'ny Rite du 29 è degré dia tsatohanana lefona ny Tiare Papale (Satroboninahitra Papa otran'ny mizara telo iny).
IREO FIVAVAHANA MANENJIKA NY ÉGLISE MASINA CATHOLIQUE :
Misy 36 000 isa ireo Fiangonana réformées amin'izao, ary ireo Franc Maçon no mamatsy vola ny ankamaroan'izy ireo. Ary izany no mahatonga azy ireo manenjika ny Église Masina Catholique avokoa.
Izao no Fanontaniana mipetraka: Iza amin'ireo Fiangonana 36000 ireo no tena marina no sady mitory ny Fahamarinana? To samy manamarin tena milaza azy ho mampiasa Baiboly izy mianakavy.
Ny ankamaroan'ny Mpamorona azy ireo dia Mpaminany Sandoka. I Kristy dia efa nampitandrina atsika tamin'izany fa maro no ho avy amin'ny anarany ary maro ireo ho voafitany. Efa nampitandrina mialoha koa izy amin'ny Mpaminany Sandoka fa mody mitafy hodijanakondry (Tsy manantsiny) izy, tsy hiseho aminao izany mintsy izy hoe Olona dratsy, fa otran'izy aza no tena Olona marina.
Jerevo ny sivana hazavaiko ambanimbany ary hamantarana an'izany.
TOKANA NY ÉGLISE MARINA:
Tokana ny Andriamanitra, Tokana ny Fanahy Masina Mpitarika, ka tsy ho possible velively izany hoe Fanahy iray no mitarika Fiangonana 36000 tsy mitovy hevitra izany.
Tokana ny Église Masina authentique eo imason'Andriamanitra toy ny nahatokana ihany koa ny Fivavavahana Judaïsme tamin'ny Testamenta Taloha.
Ny Mahasamihafa izy ireo fotsiny dia:
Ny Fivavahana Judaïsme dia nahorin'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Moïse, ary izy Andriamanitra no miteny mivantana tamin'i Moïse ny zavatra tokony hatao eo anatrehan'ny Fiangonanana. Ary ny ankamaroan'ireo mpino Judaïsme dia Jody avokoa.
Fa ny Kristianina indray dia Fivavahana nahorin'i Kristy Andriamanitra tamin'ny alalan'i Masindahy Piera (Matio 16: 18). Izy Piera sy ny dimbiny miaraka amin'ireo Apostoly sy ny Dimbiny (Matio 18: 18) ihany no mandray fanapahankevitra amin'ny Fampandehanana ny raharaham piangonana amin'ny alalan'ny Fitarihan'ny Fanahy Masina, izay indrindra no antony ilavana ilay Fanalahidy ka zay zavatra rehetra ho vohaina ety antany dia ho voavaha ihany koa any andanitra.
Santionany amin'izany Fahefana izany dia ny Fanovana ny lalàna sady Fanekena mandrakizay dia ny Famorana (1ere concile de Jérusalem Asa 15). Ny Fivavahana Kristianina dia natao ho an'olona rehetra manerantany (Universelle = Catholique)
NY HAMANTARANA NY FIANGONANA TENA MARINA (Ny voany no hamantarana azy):
Sivana anakitelo no zavatra tsy vitan'ny satana alaina tahaka ka hamantarana ny Finoana Kristianina tena marina dia:
*Ny Fitiavana ananan'ilay Fiangonanana (Joany 15: 8-14)
Raha toa ka ny Fivavahana misy anao dia manaratsiratsy sy Manendrikendrika Olona dia mialà tao. Izay Fivavahana mahavita asa Fitiavana (Fitiavana an'Andriamanitra sy Fitiava namana) indrindra no izy.
*Ny Fiandohany, Tokana ihany ny Église Masina nahorin'i Kristy (Matio 16: 18), fa ankoatrin'izay dia nahorin'olombelona avokoa, ary izay nahorin'Olombelona dia diso avokoa. Ny Église Masina Catholique irery ihany no Église Masina nisy teto ambonin'ny Tany nandritran'ny fotoana maro ary nankasitrahan'Andriamanitra fona ka hatramin'izao. Ny Tantara voarakitra antsoratra no vavolombelona ho an'ny Taranaka amam para.
* Ny Fanenjehana mahazo an'ilay Fiangonana
Tsy maintsy henjehina mandrakariva ny Église i Kristy (Joany 16: 1-4), ary miseho amin'ny endriny maro izany Fanenjehana izay. Tsy Eglizin'i Kristy raha toa ka tsy voahenjika.
Fa aza manahy sady aza mitsahatra mivavaka fa ny Église Masina Catholique dia tsy ho rava mandrakizay raha mbola tany koa ny Tany, ary tsy ho resin'ny Fahavalon'izany mihintsy (Matio 16: 18). Ny Fivavahana marina dia maharitra mandrakizay.
FOMBA TSARA FITAIZANA NY FINOANA MBA TSY HO VOAHOZONGOZONA:
-Manàna ny Fitiavana an'Andriamanitra sy ny namana.
-Aza mitsahatra mivavaka, mampiasa ireo tonom bavaka isan karazany misy ao amin'ny Église.
-Mazotoa mamaky ny tantaran'ireo Olona Masina ary miezaha haka tahaka azy ireo.
-Sady mazotoa mamaky sy mandinika ny Soratra Masina. Sady mandalina ny Finoana sy ny Fampianaran'ny Église Masina.
-Mazotoa mamaky ireo Fahagagana sy Fisehoana nankatoavin'ny Église Masina Catholique.
-Mazotoa mamaky ny Histoire de l'église sy ireo Boky nosoratan'ireo Père de l'église.
-Mazotoa mihaino hira Fivavahana Grégorien sy Classique.
Stellin Marie 👑