06/08/2025
BUS LIGNE H
๐ฒ๐ฌ๐ด๐ง๐๐ ๐ป๐ฒ๐๐ ๐ป๐ฎ๐ป๐ผ๐บ๐ฒ ๐ณ๐ฎ๐บ๐ฒ๐ฟ๐ถ๐บ-๐ฏ๐ผ๐น๐ฎ ๐ป๐ #๐ฟ๐ฒ๐๐ฒ๐ฟ๐๐ฒ๐ฟ๐ฎ.
Mpandeha iray niakatra teo no tsy nomen'ny reservera famerim-bola na dia efa nitaky izany aza izy hatrany Andravoahangy. Nomen'ilay tovolahy kely iray an'ilay mpamily avy hatrany ny vola teny an-tanany rehefa tonga teo Ambodivoina. Niezaka nitaky hatrany ilay mpandeha, 2000 Ariary miala iray ny vola nomeny saingy tsy nomen'izy ireo hatramin'ny farany ny fameriny.
Tsy Izaho no naka ny volanao fa ny reservera, hoy ilay mpamily. Niantso mpitandro ny filaminana teo akaiky teo ilay mpandeha mba handamina ny zava-nisy saingy 400 Ariary ihany no nomen'ilay mpamily. Naverin'ilay mpandeha io vola io,"tsy mitondra anareo mankaiza iny ary tsy vola nangalarina ihany koa anefa, hoy izy sady lasa izy nandeha.
Samy efa sorena tamin'ireo mpitondra ity fiara fitateram-bahoaka ity ireo teo amin'ny manodidina.
Ny izay efa mampitaraina ny maro ka manentana ny tompon'andraikitra handray ny andraikiny.
_________________________
Araho ny pejy๐