John's Officiel

John's Officiel Malagasy aho, Malagasy ianao🇲🇬

12/09/2026

🇲🇬🥳 TENY FIARAHABANA HO AN’NY SEM AMBASSADEUR RIVO RAKOTOVAO 🇧🇪🇪🇺

Faly miarahaba an’Atoa Filoha Rivo RAKOTOVAO aho, amin'izao fanendrena anao ho Masoivohon’i Madagasikara any Royaume de Belgique, sady Solontenan’i Madagasikara eo anivon’ny Vondrona Eoropeanina, ao Bruxelles.

Amin’izao andraikitra vaovao sy lehibe izao dia mirary fahombiazana feno, fahasalamana ary fahatanterahan’ny iraka hiantsorohanao ny tenako.

Raha ny fahaiza-manao sy ny fahamendrehana, izay anananao, dia matoky tanteraka aho fa ho vitanao amim-pahombiazana, antsakany sy andavany, izany andraikitra lehibe izany.

Arahabaina indrindra ianao, Baba dia mirary soa 🇲🇬🤝🇪🇺

Alain Rasambany
Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena

09/09/2026
Président Rajaonarimampianina Hery 🇲🇬Amin'ny maha Filoham-pirenena teo aloha ahy, ary ihany koa amin'ny maha olom-pirene...
09/09/2026

Président Rajaonarimampianina Hery 🇲🇬

Amin'ny maha Filoham-pirenena teo aloha ahy, ary ihany koa amin'ny maha olom-pirenena dia raisiko ho adidy ny mitondra ireo tolo-kevitra avy amiko ho fanavota na ny Firenena.

Nandritra ny dinika fakan-kevitra hanomanana ny fifidianana izay nandraisanay Filoham-pirenena sy Filoham-panjakana teo aloha anjara, no nanolorako ireo hevitra avy amiko tamin'ny Filohan'ny Fanavaozana momba ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken'ny rehetra.

Maro ireo soson-kevitra narosoko satria efa niatrika fifidianana tao aorian'ny krizy politika aho tamin'ny 2013,ary teo ihany koa fifidianana mialohan'ny fotoana tao aorian'ny hetsika politika nisy teto amin'ny Firenena tamin'ny 2018.

Firenena iombonana i Madagasikara, ary andraikitra hiaraha-manana ny fanavaozana sy fanarenana azy.
Miara-mientana isika ho an'ny hoavin'ny Tanindrazana sy ny Taninjanaka

𝗚𝗼𝘂𝗱𝗿𝗼𝗻 𝗮𝗼 𝗕𝗲𝗺𝗼𝗹𝗮𝗻𝗴𝗮 :✅🔥𝗛𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝘀𝗮𝗶𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗹à𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗲𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗡𝗼𝘀𝘆 𝗮𝗼𝗿𝗶𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗻𝗮. 🔹Efa manao ny  fanatsarana ny lal...
08/09/2026

𝗚𝗼𝘂𝗱𝗿𝗼𝗻 𝗮𝗼 𝗕𝗲𝗺𝗼𝗹𝗮𝗻𝗴𝗮 :

✅🔥𝗛𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝘀𝗮𝗶𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗹à𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗲𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗡𝗼𝘀𝘆 𝗮𝗼𝗿𝗶𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗻𝗮.

🔹Efa manao ny fanatsarana ny lalana mampitohy an'i sy ny Tafika Malagasy amin'ny alalan'ny , amin'izao fotoana izao ho fanatanterahana ny toromarika nomen'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny Kolonely Randrianirina Michaël.

🔹Ankoatran'izay, nisy ny soso-kevitra naroson'ny Lehiben'ny Etamazoron'Ireo Tafika mahakasika ny hampiasana ny goudron izay trandrahana ao (Bemolanga) ho fanatsarana ny lalana ao tampon-tanan'i Maintirano. Taorian'izay no nidina ifotony niaraka tamin'ny Ministeran'ny asa vaventy ny tenany ho fanomana ny asa, ny faran'ny herinandro teo.

🔹Hisitraka voalohany amin'ny fampiasana ny goudron izay trandrahana any an-toerana izany ny ao tampon-tanan'i Maintirano sy ny Distrikan'i Morafenobe, ary ny izany vokatra izany aorian'ny araka ny fanazavan'ny eo anivon'ny Etamazaoron'ny Tafika Malagasy androany.
_______________________

😂😂😂
07/09/2026

😂😂😂

VAOVAO MAHAFALY 😍! Nambaran’i Carlos Tevez fa nanaiky i Cristiano Ronaldo sy Lionel Messi ny hiara-milalao ao amin’ny ek...
07/09/2026

VAOVAO MAHAFALY 😍! Nambaran’i Carlos Tevez fa nanaiky i Cristiano Ronaldo sy Lionel Messi ny hiara-milalao ao amin’ny ekipa iray mandritra ny lalao fanaovam-beloma azy amin’ny volana Desambra 2026, ao amin’ny La Bombonera any Buenos Aires.
🗣️ Carlos :
“Efa nofinofiko hatramin’izay ny hahita an’i Cristiano sy Leo hiara-milalao ao amin’ny ekipa iray. Izy roa ireo no mpilalao lehibe indrindra hatramin’izay. Nifandray tamin’izy ireo aho, indrindra tamin’i Cristiano.
Hoy aho taminy: ‘Cristiano, tiako ianareo sy Leo ho ao amin’ny lafiny iray ihany amin’ny lalao fanaovam-beloma ahy. Avelao izao tontolo izao hahita izany majika izany indray mandeha.’
Nilaza tamiko izy fa ho eo. Tsy sarotra ihany koa ny nandresy lahatra an’i Leo. Samy nanome ahy ny fanekeny izy roa. ✅ Tsy andriko izany. Tena hampihetsi-po tokoa.”

Ny zavatra tsotra indrindra indraindray no tena sarobidy. 🌿❤️Antanàna 🥰🇲🇬Bonne Dimanche 🙏
06/09/2026

Ny zavatra tsotra indrindra indraindray no tena sarobidy. 🌿❤️
Antanàna 🥰🇲🇬

Bonne Dimanche 🙏

06/09/2026

💙 KONGRESY HVM FARITANY ANTANANARIVO 💙

Ny Birao Foibe Antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM), miaraka amin’ireo mpikambana rehetra eto amin’ny Faritany Antananarivo, dia faly manasa antsika rehetra, am-pitiavana sy am-panajana, hanatrika ny:

KONGRESIM-PARITANY HVM ANTANANARIVO

📅 Asabotsy 12 Septambra 2025
📍 Kianja Ambodifasika Itaosy
🕑 Amin’ny 02 ora tolakandro

📢 Mitongava maro 🙏

HVM — Mifanome Tanana ho amin’ny Fampandrosoana!

Mafana Adihevitra ty😀
05/09/2026

Mafana Adihevitra ty😀


Fandaharana DON-DRESAKA , 𝗔𝗹𝗮𝗵𝗮𝗱𝘆 𝟬𝟲 𝗦𝗲𝗽𝘁𝗮𝗺𝗯𝗿𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟲 amin’ny 7 ora sy sasany hariva eto amin’ny 𝗧𝗩 𝗣𝗟𝗨𝗦 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗰𝗮𝗿
👥 Hanasana an’i :�
🔹 Koto Lilahimahitsoambo
🔹 Pasteur Mailhol André Christian Dieu Donné
Lohahevitra : Fivavahana sy ny raharaham-pirenena .
Fandaharana mivantana eto amin’ny pejy Facebook TV PLUS Madagascar Ofisialy - TV PLUS INFOS , Youtube : https://www.youtube.com/

🚨Aza adinoina ary ny fotoanantsika ,Alahady 06 Septambra 2026 amin’ny 7 ora sy sasany hariva.

👉Araho hatrany ny pejintsika ary aza adino ny mizara amin’ny namana! ❤️

Address

Antananarivo
Antananarivo

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00
Saturday 09:00 - 17:00

Telephone

+261336248551

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when John's Officiel posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to John's Officiel:

Shortcuts

Share

Category