Harin-Tany Malagasy -HTM

Harin-Tany Malagasy -HTM Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Harin-Tany Malagasy -HTM, Grocers, tantelinirina18@gmail. com, Antananarivo.

‎FOMBA FAMBOLENA KATSAKA ‎‎KARAZANA MASOMBOLY : ‎Misy karazany maro azo isafidianana arakaraka ny toetran’ny tany sy ny ...
13/11/2025

‎FOMBA FAMBOLENA KATSAKA

‎KARAZANA MASOMBOLY :
‎Misy karazany maro azo isafidianana arakaraka ny toetran’ny tany sy ny tanjona amin’ny fambolena n'y masomboly katsaka, toy ny IRAT 200, MEVA, PANAR, sns. Ireo karazany ireo dia samy manana tombony manokana amin’ny lafiny vokatra sy ny fahazakana aretina sy ny toe-tany

‎TOETRA'NY TANY SY NY TOETR'ANDRO :
‎• Amin'ny ankapobeny ny katsaka dia tsy tia tany mitazon-drano, fa tany lonaka no mety aminy .

‎• Tsy mahazaka haintany ela izy, fa mila rano na orana mandritra ny fotoam-pitomboany. Noho izany tsara raha amin'izao vanim-potoana misy orana izao no hambolena azy

‎FANOMANANA NY TANY SY NY FAMPIASANA ZEZIKA
‎• Raha zezi-pahitra no ampiasanay dia 10-15T / Ha no entinao fa miova Arakaraky ny toetran'ny tany hambolenao nefa io

‎• Raha zezika kankana dia hatramin'ny 400Kg/Ha raha tany tsy mbola masaka ka hampiasana zezika biolojika fa azo atao ihany koa ny mampiasa ny kaomposta izay efa nampianarina anareo ireny

‎FOMBA FAMBOLENA :
‎• Isan'ny voan'ny katsaka hambolena: Atao 2 - 3 isan-davaka fa raha tena azonao antoka tsara ny kalitaon'ny masombolinao dia afaka atao 1

‎• Masomboly ilaina : 25Kg / Ha
‎• Elanelany : 80 cm ny elanelan'ny ligne ary 50 cm ny elanelan'ny isam-pototra, izay no tsara indrindra

‎FIKARAKARANA NY FAMBOLENA :
‎• Fiavana : In-dray na in-droa no tokony hiava mba hanalana ireo ahi-dratsy

‎• Fanotofana ny fototra : 2 herinandro ao aorianan'ny fitselehana no anaovana azy

‎FOMBA FIHOTAZANA SY FITAHIRIZANA:
‎Miankina amin’ny tanjona ny fotoam-pihotazana, arakaraka raha katsaka lena na maina no tanjonao. Raha katsaka maina, dia tsara raha 13 % sisa ny hamandoana ao anaty voa vao hotazana. Matetika dia eo anelanelan’ny 3 volana sy tapany hatramin’ny 6 volana eo izany

‎Mandroso miaraka no tanjona 🤗

Address

Tantelinirina18@gmail. Com
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Harin-Tany Malagasy -HTM posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category