03/04/2026
Fa maninona ianareo no tia an'itony jaune,vert,rouge itony e?🙄💛💚❤️
Efa hatramin'izay izahay ato an-trano no notezain'i dadah tamin'ny kolontsaina rasta , na Malagasy aza izahay dia mila miaina ny kolontsaina Rasta 💛💚❤️. Tsy lamaody na haingo fotsiny izy io, fa mariky ny finoana, fanantenana, sy hafatra ara-panahy lalina.
💛Ny jaune dia mampahatsiahy ny hazavana sy fanantenana omen’i Jah,(Zanahary)
💚Ny vert dia fifandraisana amin’ny natiora 🌿, ary ❤️Ny rouge dia fahatsiarovana ny tolona sy sorona nataon’ireo razana mba hahafahantsika miaina am-pahafahana ankehitriny.
Ny kolontsaina Rasta koa dia mampianatra antsika hanadio ny fontsika, hiaina am-pahatsorana sy fahamarinana, ary hiezaka hanorina fiaraha-monina feno fitiavana sy fihavanana. Tsy ny bika ivelany no mamaritra hoe r Rasta, fa ny toe-panahy sy fahadiovan-tsaina ao anatiny.Fitiavana (love), fihavanana (unity), fanajana ny hafa ary fahalalahana ara-panahy ✊🏾
Marina fa misy olona mitondra jaune vert rouge nefa tsy manaraka ny tena soatoavina raketiny, saingy tsy tokony hanamaivanana ny hasin’ny kolontsaina izany. Ny tsara azo raisina sy ampiharina, ny ratsy avela.(samy manana ny safidiny)
One Love • One Heart • Guided by Jah 🙏