Ndao Hianatra tantara

Ndao Hianatra tantara Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Ndao Hianatra tantara, Grocers, Fianarantsoa.

22/08/2025

Ny tantaran' i Madagasikara dia tantaran' ny firenena sy ny mponina (ny Malagasy) ao amin' ny nosy lehibe ao amin' ny tapany andrefan' ny Ranomasimbe Indiana, ao atsimo-atsinanan' i Afrika.

Sarintanin' i Madagasikara nivoaka tamin' ny taona 1662 izay heverina fa mety nataon' i Étienne de Flacourt (1607-1660)

Ny Pangea
Ny tantaran' i Madagasikara dia miavaka tsara noho ny fitokana-monina tany am-boalohany avy amin' ny kôtinanta goavana, ny Pangea, izay niaty ny Kôntinenta Afrikana sy ny Zana-kôntinenta Indiana, ary ny fiorenam-ponenanan' ny olombelona avy any amin' ny nosy Sonda (ao amin' ny Vondro-nosy Maley) sy avy ao Afrika Atsinanana. Ireo anton-javatra roa ireo no nanamora ny fivoarana sy ny fahaveloman' ny karazana zavamaniry sy biby tsy manam-paharoa anarivony, izay efa lany tamingana ny sasany na atahorana ho lany tamingana amin' izao fotoana izao. Ny varotra tao amin' ny Ranomasimbe Indiana tamin' ny fiorenam-ponenan' ny olona voalohany teto Madagasikara dia nanjakan' ny sambo indôneziana, angamba karazana sambon' i Borobudur na karazana sambolain' i K'un-lun po.

Sarintany maneho ny fielezan' ny Aostrôneziana
Tao anatin' ny roa arivo taona lasa izay, ny Nosy dia nahazo onjam-pifindra-monin' olona samy manana ny fiaviany, anisan' izany ny Aostrôneziana, ny Banto, ny Arabo, i Azia Atsimo, ny Sinoa ary ny Eorôpeana. Ny ankamaroan' ny mponina eto Madagasikara ankehitriny dia fifangaroan' ny Aostrôneziana sy ny Banto. Na dia eo aza ny lovantsofim-bahoaka dia tsy nisy fidiran' ny fototarazo avy amin' ny Arabo na Indiana, na dia misy foko iray, ny Antemoro, izay milaza fa avy amin' ny Arabo Sômaly mpivarotra. Ao koa ny razambe avy any Eorôpa sy avy ao Afovoany Atsinanana. Ny taonjato maro nisian' ny fifanambadiana no namorona ny Malagasy niteny malagasy voalohany indrindra, izay fiteny aostrôneziana ahitana singa avy amin' ny fiteny banto, maley, ôseanika, arabo, frantsay ary anglisy. Ny ankabeazan' ny firafitry ny fototarazon' ny Malagasy salantsalany anefa

Address

Fianarantsoa

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ndao Hianatra tantara posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category