06/12/2025
⛔📌 NY VOKA-DRATSIN'NY FISOTROANA KAFE !! ☕☕
Misy lafy ratsiny ny fisotroana kafe :
Mety misy ihany koa ireo vokadratsin’ny fisotroana kafe, indrindra raha be loatra ny kafe sotroina ao anatin’ny tontolo andro. Raha misotro kafe mihoatra ny 2 na 3 kaopy isan’andro dia mety harary an-doha ny olona efa taizan’ny aretin’an-doho.
Marihana fa mety miteraka fiankinan-doha ihany koa ny kafe. Lasa tsy mahavita mifantoka, tsy mavitrika, toa ny tsy mahavita ninoninona, kizitina… ilay olona raha tsy misotro kafe ao anatin’ny ray andro na koa raha tsy ampy ny fatra sotroiny.
Ny fisotroana kafe matetika sy betsaka loatra ihany koa dia mety hisy fiantraikany ratsy amin’ny vatana. Mety ho lasa mangovingovitra ilay olona, midoboka mafy sy haingana ny fony (palpitations), lasa misy tosi-drà ambony… Ny kafe asiana siramamy ihany koa dia mety hitarika aretina samihafa, toy ny diabeta, ny aretin’ny voa…
.