28/09/2025
Salama daholo eh !!
Ity ilay fanamboarana chips mangahazo araka ny nampanantenaina.
Marihana fa chips no atao eto fa tsy ilay sipety otrany mahazatra ireny. Fa ra toa ka ireny no mahaliana antsika dia ataovy ao amin'ny commentaire na hafatra miafna fa alefa eto iany.
Zavatra ilaina:
Mangahazo (arakaraka izay habetsahany tinao atao )
Asaisonnement : sira kely, poivre, paprika( izay hanitra tianao ampiasaina no atao aminy)
Tena ilaina eto ny mandoline.
Ra toa ka tsy manana ianao dia aza misalasala mandefa commande fa 15000ar monja ny iray.
Fikarakarana:
1- Fisahana amin'ny mandoline ny mangahazo, tena atao farany izay manify. Raha toa ka lasa somary matevin ailay mnagahazo dia mafy ilay chips azo.
2- Sasana anaty rano mangatsiaka ialantanteraka ilay excée amidon aminy.
Averimnerina mandrapahazo rano tsis fotsifotsy intsony.
3- Mampangotraka rano, dia ajoboka anaty rano avy nangotraka ilay mangahazo voafiska.
4- esorina atao anaty rano managatsiaka indray. Dia avy eo tsihifina tsara.
5- somary ranona kely ilay asaisonnement ampiasainao, dia arotsaka ao amin'ilay mangahazo teo. Dia avela ilona 15 min⏱️.
6- hafanaina menaka fanendasana, atao mafana tsara, dia arotsaka ny mangahazo. Aza atao may be loatra ah!!!
Ny hafantarana an'ilay chips hoe efa tokony esorina chips anaty lapoaly na vilany saba.
Tsy heno maneno intsony ilay menaka.
Andramo fa tena matsiro be nefa tsy be dépense.
Araho hatrany pejy ra te hanaraka recette na idée de busness.