Waggo Coach

Waggo Coach 💎FIANAKAVIANA SAMBATRA
💎FANAMBADIANA SY NY DINGANA
💎VAHA OLANA HO AMIN'NY ADY LAVA
💎FOMBA FITAIZANA ZAZA. Araho ary ny Pejy ary zarao

07/08/2025

TOROHEVITRA 07 HANATSARANA FIFANDRAISANA
Mety misy fotoana tsy mifanaraka ny mpifankatia, fa ny fomba ifampiresahana no tena manan-danja. Ireto misy torohevitra 7 hanampy anareo hifankahazo sy hifankatia bebe kokoa.

1. LAZAO MIVANTANA IZAY ERITRERETINAO SY IZAY TSAPANAO
Aza tehirizina ao anatinao fotsiny. Raha misy zavatra mampanahy anao. Teneno tsara, ataovy am-pahatsorana sy am-panajana. Tsy afaka mamaky ny sainao ny olon-tianao.

2. AZA MANOME TSINY
Tsy manampy ny fifanomezan-tsiny. Aleo milaza izay tsapanao:
🚫“Tsy mihaino ahy mihitsy ianao,”
👍“Malahelo aho fa mahatsapa hoe tsy misy mihaino.”

3. RESAHO AMIN'NY FOTOANA IRAY IHANY NY OLANA IRAY
Aza entina amin’ny ady iray ny olana taloha rehetra.
🚫Ramose: Masina be ny laoka ramatoa, Efa matetika loatra. Tamin'ny Juin zao masina ny gana, mbola masina koa tam aniverserako, Zao koa masina
🚫Madama: Ka ny tena marina tsy tiako lay resaka noresahonao tamin'i Dadanaivo.
🚫Ramose: Fa le noteneninao tamin'ny pastera nahafaly ahy🤨Ary lay lambako nodoroanao fera🥴
🙏Resaka laoka masina le raha fa aza itarina be.

4. MIFAMPIRESAHA SY MIHAINOA
Ny fifandraisana tsara dia misy resaka madio sy fihainoana marina. Teneno ny anao, fa henoy tsara koa izay lazainy. Ezaho takarina ny fihetseham-pony.

5. AZA MIHIDY SAINA
Tsy maintsy hisy tsy fitovian-kevitra indraindray. Rehefa miresaka, dia miezaha hahatakatra ny heviny. Vonona hihaino foana.

6. AZA VARIANA AMIN'NY ZAVATRA KELY INDRINDRA
Tsy ilaina ifandirana daholo ny zavatra kely. Raha tsy zava-dehibe dia aleo avela. Aleo ny herinao hifantoka amin’ny zavatra manan-danja kokoa.

7.HEVERO FA TSY SITRANY NY HANDRATRA ANAO, TSY SITRAPONY HANAO DISO.
Raha misy tsy mety nataony, aza dia mihevitra avy hatrany fa fanahy iniana izany. Matetika, tsy tiany akory ny manimba anao. Miezaha hatoky fa manam-pitiavana izy.

🙏Raiso ny teny ka ampiharo fa hanova anao. Like-vous, partagez-vous

Waggoner Esthin Esthelot
Sociologue et linguiste

24/08/2022
03/07/2022
Ny tanjoko dia tsy ny ho tsara mihoatra noho ny HAFA fa mba ho tsara mihoatra ny nisy ahy teo aloha...Moral: miezaha mam...
11/06/2022

Ny tanjoko dia tsy ny ho tsara mihoatra noho ny HAFA fa mba ho tsara mihoatra ny nisy ahy teo aloha...

Moral: miezaha mampandroso ny tenanao.
Waggo Coach: 034 85 671 31

Rehefa mirary zavatra tsara ho an olona ianao, dia izany zahavatra tsara izany ihany no miverina aminaoLALANAN'NY NATIOR...
17/05/2022

Rehefa mirary zavatra tsara ho an olona ianao, dia izany zahavatra tsara izany ihany no miverina aminao
LALANAN'NY NATIORA

Waggoner Esthin Esthelot
Dr psychothérapie
Info: 034 85 671 31

Ny FIAINANA no anisany fanadinana sarotra indrindra.Betsaka ny TSY AFAKA (RESY, Tsy mahomby) satria miezaka maka antahak...
13/05/2022

Ny FIAINANA no anisany fanadinana sarotra indrindra.
Betsaka ny TSY AFAKA (RESY, Tsy mahomby) satria miezaka maka antahaka ny HAFA izy ireo; tsy mahatsapa mihitsy fa samy manana ny SUJETny (Fanontaniana) ny Tsirairay.
1- Fadio ny maka antahaka ny HAFA.
2- Mifantoha amin'ny fanontanianao.
3- Ianaro ireo izay tsy hainao nefa mahasoa ANAO amin'ny fiainana.

Waggoner Esthin Esthelot: Psychothérapie ; American Accent Trainer; Un jeune entrepreneur.
Contact: 034 85 671 31.

12/05/2022

Address

Toliara Andaboly
Toamasina

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Waggo Coach posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share