04/09/2025
Ny spiruline dia karazana lomotra fihinana mitondra proteina 60 ka hatramin'ny 65% mahomby indrindra hiadiana amin'ny tsy fahampian-tsakafo ary manamafy ny vatana hiady amin'ny aretina maro.
Ireo fangaro isan'ny lehibe indrindra ao anatin'ny Spiruline:
Proteina avy amin'ny zavamaniry : environ 60%
Lipides : 6
Glucides : 19
Minéraux : 8
Quelques oligonutriments : (mg/100g)
Vitamine A (B-carotène) : environ 170
Vitamines B1 à B12 : 22
Vitamine E : 10
Fer : 60
Phosphore : 800
Calcium : 150
Magnésium : 200
Chlorophylle : 790
Acide y-linoleique : 1000
Phycocyanine : 1100
Voamarina fa ny Spiruline dia manetsika ny fiarovana voajanahary ao anatin'ny vatana, manampy hiady amin'ny aretina maro isan-karazany, manome fitoniana ho an'ny saina ihany koa ny fihinanana spiruline.
Tsara ho an'ny ankizy, vehivavy bevoka, ireo olona nahazo taona ary indrindra ho anireo olona mampiasa vatana mafy (Mpanao fanatanjahan-tena, mpianatra, ... sns)
Fehiny, ny spiruline dia fanampin-tsakafo mety ho an'ny salan-taona rehetra sy ny zava-misy mitranga amin'ny fiainana.
Noho ireo singa maro tsy manam-paharoa ao anatiny, ny spiruline dia lasa fanampin-tsakafo, tsy azo iodivirana, mitondra voka-tsoa tsy tambo isaina ho an'ny vatana ary koa lasa zava-dehibe eo amin'ny sehatra fikarohana ara-tsiantifika.