24/04/2025
𝐄𝐌𝐌𝐀𝐍𝐔𝐄𝐋 𝐒𝐘 𝐁𝐑𝐈𝐆𝐈𝐓𝐓𝐄 𝐌𝐀𝐂𝐑𝐎𝐍 : 𝐌𝐏𝐈𝐀𝐍𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐍𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐋𝐀𝐒𝐀 𝐌𝐏𝐈𝐕𝐀𝐃𝐘💕
🇫🇷24 taona ny elanelan-taonan'ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron amin'i ramatoa Brigitte Vadiny.
Miteraka resa-be amin'ny haino aman-jery sy ny tambajotra matetika ny elanelan-taona misy eo amin'izy mivady kanefa dia tsy nataon'izy ireo ho sakana izany na ho olana amin'ny fiarahany.
👉🏽Raha fintinina ny tantaram-pitiavan'izy roa dia izao :
Tany amin'ny taona 1990 no nanomboka ny tantara, mpianatry ny Lycée La Providence tao Amiens , sekoly nampianaran'i 𝗕𝗿𝗶𝗴𝗶𝘁𝘁𝗲 𝗧𝗿𝗼𝗴𝗻𝗲𝘂𝘅 , (prof de lettres et de théâtres ) I 𝗘𝗺𝗺𝗮𝗻𝘂𝗲𝗹 𝗠𝗮𝗰𝗿𝗼𝗻, tao amin'io sekoly io no nifankahitan'izy ireo.
Nandritra ny " atélier théâtre " no tena nifanakaikaizan'ny roa tonta :
👩🏫 I Brigitte, vehivavy 39 taona,manambady sy manan-janaka telo .
👦I Emmanuel kosa dia tovolahikely vao 15 taona monja , mpianatra ,
mpankafia literatiora sy tantara an-dapihazo.
Voasarika tamin'ny talenta sy ny aharanitantsain'ilay tovolahy I Brigitte Trogneux ka niresaka sy nifampizara zavatra maro taminy ary niafara tamin'ny fiarahan'izy roa.
😱Nanaitra sy tsy neken' ny manodidina azy ireo ny fifankatiavan'izy roa ,ka mba hampisarahana sy hanadinoany an'i Brigitte dia nalefan'ny Ray aman-dReniny namita ny fianarany tany Parisy , tao amin'ny Lycée Henri-IV I Emmanuel.
Nazava anefa ny tenin'ity farany fa na inona na inona hatao hanakanana azy dia tsy maintsy hanambady an'i Brigitte ny tenany .Ka na dia teo aza ny elanelana sy ny vavan'ny fiaraha-monina dia nihamafy hatrany ny fifankatiavan'izy roa.💏
🔚Tamin'ny taona 2006 dia nisaraka tamin'ny Vadiny voalohany André-Louis Auzière I Brigitte , tsy niandry ela fa erin-taona taorian'io dia natao tao Touquet ny mariage-ny sy Emmanuel Macron , lasa Ofisialy Ilay fiarahana nafenina tao anatin'ny taona maro.🤵👰💒
NB: Tsy manan-janaka iraisana izy mivady fa i ramatoa Brigitte kosa dia efa niteraka telo mianadahy tamin'ny vadiny voalohany. Ny voalohany zokin'ny Emmanuel Macron 2 taona , ny faharoa mitovy taona aminy ary ny farany kosa zandriny 7 taona.
Nanangona sy nandiaka: 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 .
Sary : midi Madagasikara.