09/03/2025
SOTASOTA ? SABOTAZY SA FIALONANA ? SA AFO NILATSAKA AVY ANY AN-DANITRA ?
🚨 Aleo angamba tsy tenenina hoe isika "gasy" fa aleo mba ovaina hoe: "Talentan'ny ratsy fanahy ny tsy mahazaka namana rôso".
📌 Tany Soamanandray Kaominina Ambanivohitra Tsiafahy Distrika Antananarivo Atsimondrano tany no nisehoan'ny tantara.
🔥 Zoma 07 hifoha 08 Martsa .
🌓 Nahare feona vanja mitsefoka mirehitra ny tompon-trano ka nivoaka nijery ny manodidina
🔥 Ny ao ambanin'ny lohan'ny fiara efa miledak'afo no hitany.
🔥 Mandra-piantsony ny zanany sy ireo mponina manodidina anefa dia efa nanenika ny fiara ny afo.
🔥 Niitatra nahazo ny trano fonenany, ny trano fitoeram-bokatra sy ny trano fiompiana izay samy tafo bozaka daholo.
😭 Tsy nisy avotra na ny fiara, na ny entana rehetra tao antrano na ny biby fiompy noho ny firehetana haingana loatra sy ny fahatairana.
☹️ Tsy nisy ny aina nafoy saingy tsy hay tombanana ny tetibidin'ny fananana simba tanatin'ny indray mipi-maso.
❌❓ Tsy nahatsikaritra ny olona ity tompon-trano tamin'ny fotoana nivoahany voalohany ary tsy azony veroka izay olona mety nahavanona izao zavatra izao.
🚨 Misokatra hatrany anefa ny fanadihadiana satria inoana fa tanan'olombelona no nametraka ny afo tao ambany fiara fa tsy afon-dolo afon'angatra.