10/10/2023
18Dia nanatona azy rehetra i Jesoa ka nanao taminy hoe: Efa nomena Ahy avokoa ny fahefana any an-danitra sy ety an-tany;
19koa mandehana ianareo, ataovy mpianatro ny firenena rehetra; ka ataovy batisa ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina,
20sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan'andro vaky mandra-pahatongan'ny fiafaran'izao tontolo izao.