07/04/2026
Faly miarahaba antsika rehetra indray izahay.Hanao gaufre kely indray isika androany,ka ireto avy ny zavatra ilaina:
-farine 500g
-atody 3pcs
-poudre lait 100g
-sucre 100-150g
-beurre 100g(efa voatsonika)
-sira indraimisongo
-levure chimique 8g
-parfum au choix
-rano 150-200ml
Fikarakarana azy:
*Atao ao anaty ''bol''ny "farine" avy no-''tamisé''-na,ny siramamy,sira,poudre lait levure chimique.Afangaro tsara
*Asiana rano dia kapohana tsara mba hisy hitambaingana.Arotsaka ny atody sy ny parfum ary ny beurre efa voatsonika.
*Afanaina tsara ny "machine à gaufre" dia hosorana menaka kely mba tsy hiraikitra
*Rehefa mafana tsara ilay "machine"dia mandoatra pâte amin'ny louche(atao 1-2 arakaraky ny habean'ny moule)dia akatona lay machine dia avela ho masaka ao ilay gaufre(atao doré tsara vao esorina).Dia atao ohatr'izay mandrapa-tapitry ny pâte
Nb:farine 500g tokony havita 14-16pcs raha kelikely ilay machine
Afaka atao gouté tsara na koa atao sakafo maraina,hampiarahina amin'ny chocolat chaud na ronono mafana
Mirary soa ho antsika rehetra