29/03/2024
Oooh!
🍁IREO ANTONY 10 ILANA NY FAHANGINANA
1- Ny fahanginana dia manalavitra ny fifandirana.
Tsy misy afaka hifanditra aminao eo raha ianao mangina.
2- Ny fahanginana dia mampisavoritaka ny mpialona sy mpanenjika anao.
Raha mitabataba ianao dia ho mora foana ny hanoheran'ny olona anao
Fa raha ianao mangina fotsiny dia tsy hitany izay hanaovany anao.
3- Ny fahanginana no mampiavaka anao .
Rehefa misy zavatra hataonao na projet hatsanganao dia tsy mila be tatasika atsy sy arÿ ianao fa alaminao mangina fotsiny mba hampiavaka anao.
4- Ny fahanginana dia manome anao fahefana sy hery manoloana ny fahavalonao.
Sarotra aminy ny hanenjika anao raha mangina ianao.
5- Ny fahanginana dia mahatonga anao tsy hanan-tsiny.
Nohon'ny ny zavatra noteneninao sy nataonao ihany no anomezan'olona tsiny anao ka raha ianao mangina dia sarotra amin'ny olona ny hanome tsiny anao.
6- Ny fahanginana dia mampitombo ny lanjanao.
Raha ianao be tabataba foana dia ataon'olona sahala amin'ny tsy misy dikany.
7- Ny fahanginana dia mampitony ny hatezeran’ny hafa.
Raha nisy olona tezitra taminao ka ianao indray no avo vava dia vao maika izy romotra mihitsy,
ka raha mangina kosa ianao dia hilefaka mora izy.
8- Ny fahanginana dia manaporofo fa marina ianao.
Misy fomba fiteny izay hoe "Ny feno tsy mikobana" ,
Raha ny olona be tabataba be matetika dia tsy manam-pahamarinana loatra
9- Ny fahanginana dia hahatonga anao hanetry tena.
Raha ianao zatra mangina dia sarotra aminao ny hanao toetra toy ny fanambonian-tena, fanambaniana olona, sns...
10- Ny fahanginana dia miaro anao tsy hanjakan'ny asan'ny ratsy na asan'ny devoly
Raha ianao mangina dia tsy ho voasarikin' ny olona amin'ny zavatra mety hanimba anao, sy mety hahazoanao fahotana.
🌾Mila mamboly fahanginana foana ianao.
👉Tadidio fa "Izay mangina volamena "
Zarao amin'ny hafa fa mety hahasoa azy ireo izany 🙏
(Nindramina)