Faneva Tix

Faneva Tix Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Faneva Tix, Grocers, Arivonimamo, Antananarivo.

21/04/2026

Natiora tsy voavidy.

Ny natiora mamelona antsika,
Mitsiry am-pitoniana, tsy mangataka vola.
Rivotra madio, masoandro mamiratra,
Fanomezana tsy hay refesina vola.

Ny rano mikoriana, manome aina,
Ny tany mamokatra, tsy mitaky valiny.
Fa raha simba izy, tsy ho voavidy intsony,
Na dia harena be aza no entinao manolo azy.

Koa tandremo izy, aza atao tsinontsinona,
Fa ny natiora no aina (sy ho avy). 🌿

Ala sy tendrombohitra mijoro ho vavolombelona,
Miaro ny aina, manome fitahiana tsy hita isa.
Ny tany lonaka mamelona isan’andro,
Tsy misy vola hahasolo ny soa omeny antsika.

Raha potehinao izy, hiverina aminao ny vokany,
Hanjary haizina ny mazava, ho ritra ny rano.
Ny ho avy tsy hividianana amin’ny vola,
Fa amin’ny fikajiana ny natiora ankehitriny.

Koa mifoaza ry olona, tandremo ny tontolo,
Aza miandry rahampitso vao hanarina azy.
Fa ny natiora no aina iombonana,
Harena mandrakizay tsy mety ho lany. 🌿

Tiafaneva..

Fiara électrique, dian’ny hoavyTsy setroka, tsy tabataba,Mandeha mangina eny an-dàlana.Mitsinjo ny tontolo iainana,Miaro...
06/02/2026

Fiara électrique, dian’ny hoavy

Tsy setroka, tsy tabataba,
Mandeha mangina eny an-dĂ lana.
Mitsinjo ny tontolo iainana,
Miaro ny aina, mampihavana.

Herinaratra no hery manosika,
Madio, maharitra, tsy mandoto.
Mihena ny fandaniana,
Mitombo ny tombontsoa ho an’ny olona.

Fitaovana électrique, mpiara-miasa,
Manamora ny asa isan’andro.
Kely fandaniana, lehibe vokatra,
Ho an’ny fiainana tsaratsara kokoa rahampitso.

Tiafaneva.

01/02/2026

**Lafim-pampianarana, Laharana Voalohany**

Aoka ho loharanon-aina ny sekoly sy kilasy,
fahazavana ho an’ny zaza, ho avy tsy miolikolika;
boky sy feon-taratra, saina mivelatra misandratra,
mba hahafahan’i Madagasikara mitsangana tsy mihozongozona.

Ataovy trano mafy ny fototra amin’ny fanabeazana,
mpampianatra hajaina, tohana mazava sy maharitra;
fitaovana feno, latabatra sy penina tsy ritra,
mba hikoriana malalaka ny eritreritra sy ny nofy.

Tsy ho voafetra amin’ny tanàna ihany ny fahalalana,
fa hihantona any an-tsaha, any ambanivohitra,
izay zaza rehetra dia mendrika ho sambatra,
tsy havelantsika ho takona amin’ny haizin’ny tsy fahaizana.

Aoka ny fanavaozana tsy ho teny foana sy sary an-tsaina,
fa ho asa an-kitsim-po: fandaharam-pianarana mifanaraka,
fahaiza-manao sy haitao vao, teny sy asa mifamatotra,
mba hiorim-paka ny fahendrena ao anaty fiainana.

Raisintsika ho laharam-pahamehana voalohany ny fanabeazana,
toy ny jiro eo an-dalana, toy ny rivotra iainana;
raha miorina ny saina, hihatsara ny fiainana,
ary hitsiry eo amin’ny tanindrazana ny hoavy mamiratra.


Tiafaneva.

18/01/2026

N'y teny hoe: "KANTO"
no tiko indrindra tamin'ny nanao MALAGASY..

🌳-**HAZO**Hazo iray, taona maro vao mitsiry sy mijoro,Fa indray kapoka monja dia lavon’ny famaky sy ny hevi-poana.Raha t...
18/01/2026

🌳

-**HAZO**

Hazo iray, taona maro vao mitsiry sy mijoro,
Fa indray kapoka monja dia lavon’ny famaky sy ny hevi-poana.
Raha tsy misy fetra ny tanana manapaka ala,
Tokony tsy hisy fetra koa ny tanana mamboly HAZO.

Tsy hazo fotsiny no tapahina fa **aina**,
Rivotra, rano, tany—rehetra miara-mijaly.
Mitomany mangina ny natiora voaratra,
Miandry olona mbola manana feon’ny (fieritreretana.)

Aza miandry rahampitso vao handray andraikitra,
Fa izao no ora, izao no antso.
👉 Tapaka iray androany, ambolena marobe anio,
Izay no rariny, izay no marina.

Hamboly tsy misy fetra, raha mbola velona ny tany,
Fa ny hazo anio no aina iainan’ny taranakoa.
Raha mbola maniry ho velona ny ho avy,
Asehoy amin’ny asa—**Hamboleno ny hazo**

Tiafaneva.

04/12/2025

🧱**Tsy tsara kokoa ve…**🧱

Tsy tsara kokoa ve ny mahita olona miara-mamindra,
Fa tsy mifanosika an-tsetroka hifaninana?
Tsy tsara kokoa ve ny mahita olona miara-miakatra,
Fa tsy manitsakitsaka ny hafa hahazoana toerana?

Tsy tsara kokoa ve ny mahita fanahy mifampitantana,
Fa tsy mifampijery ho fahavalo isan’andro?
Tsy tsara kokoa ve ny mahita fo misandratra anaty firaisana,
Toy izay feno lolompo, fialonana, sy fankahalana?

Tsy tsara kokoa ve ny olona mitovy fari-piainana,
Tsy amin’ny harena fa amin’ny fo sy fanahy?
Fa ny manam-bola aza mety ho mahantra fanahy,
Ary ny tsotra kosa mety ho manan-karena fahendrena.

Tsy tsara kokoa ve ny mandresy miaraka,
Toy izay mandresy irery nefa foana?
Fa inona ny hasarobidin’ny fandresena
Raha tsy misy hira, tsy misy hafaliana, tsy misy anjara-fifampizarana?

Tsy tsara kokoa ve ny miara-manorina ho avy,
Toy izay mifaninana hanapotika ny ankehitriny?
Fa ny firenena tsy atsangana amin’ny ady samy irery,
Fa amin’ny tanana maro sy fo iray ihany.

Koa aoka isika tsy hifaninana ho ambony,
Fa hifaninana ho olombelona tsara kokoa.
Satria tsy voninahitra ny miakatra irery,
Fa hasina ny miakatra miaraka.

---

Tiafaneva.

30/11/2025

🌿 Ny tenin-drazana, fanahin’ny firenena🌿

Maniry aho andro iray ho avy,
Ny teny Malagasy no ho tenin’ny fahefana,
Ho teny ampiasaina eny amin’ny fanjakana sy lalàna,
Ho teny iainana sy ianarana manerana an’i Madagasikara.

Tsy te ho very amin’ny fiteny vahiny izahay,
Tsy te hiova amin’ny tanindrazanay,
Fa ny teninay no tokony hanana ny voninahiny,
Ao an-tsekoly, amin’ny asa, sy amin’ny fiainana andavanandro.

Teny Malagasy no fototry ny maha-Malagasy,
Teny mampiray fo sy mampiray saina,
Teny tsy zary fitaovana hanavahana olona,
Fa ho tetezana hampanjaka rariny sy firaisankina.

Ka mitsangana izahay taranaka anio,
Mitaky ny hasin’ny tenin-drazanay,
Mitory fa mendrika ny ho ofisialy izy,
Ary hiaro azy mandra-pihavin’ny fara andronay
..........................................................

Tiafaneva

28/10/2025

🌺 **MAMPALAHELO, RY FIRENEKO**

Mampalahelo, ry fireneko tia fandrosoana,
raha ny tenin’ny hafa no ataonao reharehana.
Fa ilay teny nentin-drazana, feno hasina sy tantara,
dia ataonao an-kilabao, toy ny vato tsy manan-danja.

Teny nanandratra razana sy nanarina voa,
efa lasa tsinontsinona eo imasonao ankehitriny koa.
Nahoana re, ry taniko, no hadino ny fototra,
no sady midera ny hafa, nefa manambany ny an’ny tena?

Ny vahoaka miteny amim-pireharehana amin’ny teny hafa,
dia toy ny ravina voasarika amin’ny rivotra mandalo.
Tsy ho fandrosoana izany, ry fireneko, fa fandrebirebena,
fa izay manadino ny teniny, dia manadino ny ainy sy ny hasiny.

Aoka isika hifoha, hanandratra ny antsika,
fa tsy misy firenena velona amin’ny teny manofa.
Ny tenimpirenena no mari-panondro,
ny feon’ny razana sy ny aina ao anaty tondro.

Koa rehefa miteny ianao, mitondrĂ  ny fiteninao,
fa ao ny fombanao, ao ny fanahinao.
Ary amin’izay andro izay, rehefa re ny feonao any an-danitra,
dia hiteny koa ny razana hoe:
**“Tsy maty ny fireneko, fa mbola velona ny Teny niteraka azy.”**

---
Tiafaneva

27/10/2025

**"Ny Hazo nambolenao"**

Andro fahavaratra indray izao,
Mitsiky ny rahona, mitrebona ny rivotra,
Manasa antsika hamboly hazo vao,
Ho an’ny tontolo, ho an’ny taranaka ho avy koa.

Izay manimba, aoka hahay hanarina,
Fa tsy ampy ny teny, raha tsy misy asa marina.
Ny tanĂ na madio, ny rivotra madio,
Dia vokatry ny tanana tia sy manadio.

Mahafinaritra anie ny mahita zava-boary,
Mandihy amin’ny rivotra, milalao amin’ny masoandro.
Maitso mavana manome aina,
Toy ny fo madio tsy mitady tambiny.

Fa indraindray, ny hasambarana tsy any ho any,
Fa eo amin’ny hazo kely nambolenao anio.
Ary amin’ny ho avy, rehefa mitombo izy,
Dia hiteny aminao hoe :
**“Tsara loatra fa nisy ianao namboly ahy.”**

---

Tiafaneva.

Address

Arivonimamo
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Faneva Tix posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category