28/12/2021
Voilà à peine remis de Noël, qu'il faudra penser au menu du 31...
Aujourd'hui, je vous propose la recette
du
CANARD LAQUÉ (1ère version)
Tsy mila lafaoro ( VILANY no ampiasaina) selon Prisca L. ma copine
ILAINA :
✅gana iray (cannette no nampiasaiko teto) 2,700 kg teo ho eo
✅5 épices = 1 sotro fihinana
✅sauce soja = 3 sotro fihinana
✅tantely = 5 sotro fihinana (azo soloina siramamy mena )
✅tongologasy voakiky = 1 sotro fihinana
✅sakamalaho voakiky = 1 sotro fihinana
✅oignons voatetika madinika = 2 antonony
sira = 1 sotro kely
vinaigre de riz = 2 sotro fihinana (azo soloina vinaigre blanc)
✅alcool de riz = 2 sotro fihinana (azo soloina vin blanc sec)
✅levure chimique = 1 sachet
✅poivre = 1 sotro kely
Personnellement,
j'ajoute thym et laurier, et à la place de l'alcool de riz, je mets vinaigre balsamique, avec 2 cuill. spe d'ail et de gingembre haché.
FIKARAKARANA
ho an'ny gana :
rehefa voadio sy voakarakara dia tetehana amin'ny fomba fitetika vorona rehetra
ataovy ao anaty vilany izay andrahona azy , vilany misarona an
ho an'ny saosy :
mixer-na miaraka ny tongologasy voakiky, ny sakamalaho voakiky, ny oignons efa voatetika madinika rehefa malemy lasa marihitra tsara dia ataovy ao anaty lovia jobo
alefaso ao ny 5 épices, ny sauce soja, ny sauce d’huître, ny tantely, ny poivre, ary ny levure, afangaroy tsara ireo rehetra ireo aloa, avelao hilona 5 à 10 min eo ho eo , rehefa izay dia alefaso indray ny vinaigre de riz, ny alcool de riz, ary ny sira , afangaroy tsara dia avelao hilona eo mandrapa maina sy mangatsika ny gana
fanaovana azy amin'izay ary ko :
arotsay ao antin'ny vilany misy ny gana sy saosy efa vita , afangaroy tsara, dia
avelao hilona adiny telo fara fahakeliny, tsara raha indray alina , afangaroy matetika isaky izay mahatsiaro hihi
rehefa tapitra ny pause izay mety aminao dia ampio rano 1 vera, dia avelao hitokona amin'ny afo malefaka
rehefa ritra sy medy , itanao miavaka ny mena dia vita izy zay, nefa raha tinao hisy saosy dia aza atao ritra be fa ao fona ny tsirony maha laqué azy
Arosoy aminn'y vary maina fa aoka fotsinyyy an
Mazotoa aza ho an'izay makafy eee