31/10/2023
NY ANDROANY TSY HIVERINA INTSONY MANDRAKIZAY
Rehefa fantatrao hoe mandalo fotsiny ary misy fiafarana izao fiainana izao dia tonga saina ianao hoe mila mahay mifankatia foana dia mila manao ny marina.
Fohy loatra ny fotoana raha hiady aman’olona lava.
Fohy loatra ny fotoana hanaovana ratsy sy hanimbàna fiainan’olona.
Raha maty aho anio dia inona mba zavatra tsara ary mivaingana mba vitako? Inona no mba tadidin’olona amiko?
Iza ireo olona mba tafantsangana tamin’ny alalako?
Iza ireo voatahy tamin’ny alalako?
Vita ve ny mission-ako tety an-tany?
Lanio ny andronao hanomezana fitiavana ny manodidina anao.
Lanio ny fotoananao hiarahanao mifaly amin’ireo olona tianao sy tia anao.
Lanio ny fotoananao hanompona indrindra fa hanohanana ny hafa.
Hataovy tsapan’olona hoe olom-pitiavana ianao.
Hataovy hitan’olona fa ao anatinao Andriamanitra.
Marka 12:31 « … Tiava ny namanao tahaka ny tenanao »