04/07/2026
📢 FAMPAHAFANTARANA
Araka ny tetiandro navoakan'ny Fitondram-panjakana, dia hisokatra manomboka rahampitso Asabotsy faha 04 Jolay 2026 ny tsenan'ny lavanila maitso eto amin'ny Kaominina Ambonivohitra Mananara Avaratra.
Koa entanina araka izany ireo mpamokatra sy mpivarotra lavanila, ary koa ireo mpividy, mba ho tonga handray anjara amin'izany araka ny fepetra manan-kery.
Mirary taom-piotazana sy fifanakalozana hahomby ho an'ny rehetra ny Kaominina Ambonivohitra Mananara Avaratra.
Sary fanehoana