03/05/2026
MIVA Polska: Fanomezana ho an’ny iraka Notre Dame du Rosaire - SVD Mandritsara, Madagasikara
Môtô 3, bisikileta 35, ary koady (quad) iray no voaray ho an’ireo katekista ato amin’ny iraka (mission) SVD eto Mandritsara, Madagasikara. Famporisihana sy fankaherezana lehibe ho an’ireo mpitory ny Vaovao Mahafaly, izay mampianatra amim-panetren-tena any amin’ny faritra ambanivohitra rehetra any, izao fanomezana izao.
Amin’ny anaran’ireo rehetra nahazo tombontsoa, dia maneho fankasitrahana feno sy manao hoe "Andriamanitra hamaly babena" ho an’ny Talen’ny MIVA Polska, ary mazava ho azy, ho an’ireo mpanome an-jatony—dia ireo mpamily izay miray hina aminay misionera.
Misaotra betsaka tokoa ary tsy adino ianareo ao anaty vavaka.