12/09/2025
1- Aza miandry fanampina avy amin'ny hafa, aza miandry tolorana vao hanao zavatra.
Mianàra miady irery, mianàra mikaroka irery, mianàra mitady vahaolana irery.
2- Aza miaraka amin'olona toxique, na arak'asa io na ara-pitiavana.
Ny fikambanana amin'ny ratsy, manimba ny fitondratena tsara.
3- Aza mifaninana amin'ny namanao, tsy ny namanao no hifaninanao fa ny soa vitanao omaly, raha hifaninana ihany dia mijereva fitaratra, io olona mifanatrika aminao amin'ny fitaratra io no adversaire-nao voalohany.
4. Aza manandra-tena, mizàra manetry tena na inona na inona fanananao androany, na aiza na aiza position misy anao androany.
Tadidio fa vovoka no niandohànao, ary mbola hiverina ho vovoka ianao.
‘’ L’humilité précède la gloire, l’orgueil entraîne la chute.’’
Ndao hanova zavatra