24/12/2023
AMPIRISIHO HATRANY NY ZAZA HO SAHISAHY!
aza sakanana lava izy hoe „AZA MILINGILINGY EO“ ! Na hoe MIPETRAHA TSARA!
Avelao izy hanao raha mbola risque calculé (tsy mahafaty azy). Mety hianjera izy, eny fa ILAINY izany. Aoka izy izany no hahay miarina sy manatsoaka lesona.
AOKA IZY NO HIANATRA NY FIAINANA
Tsy bedesina izy rehefa mianjera hoe : Efa niteny anao za - tataka ny vavako sns.
Omeo tanana izy hiarina, ankaherezo raha tomany dia atoroy azy am-pitiavana ny fomba tsy mampianjera @ manaraka. 💪🏽💪🏽💪🏽
Raha zatra sakananao sy areninao Lava ny Ankizy dia mety tsy hahaleo tena fa hiandry anao hibaiko na hibedy avy any ivelany foana.
Averiko fa raha hery avy any ivelany (ianao) no mibaiko na mamaky ny atody dia maty ilay aina ao anatiny.
Raha heriny avy ao anatiny kosa no mamoaka azy tao dia hahery izy, hanidina ary ho lasa lavitra.
Toy izay koa: rehefa manontany ny zaza dia valio @ marina. Azavao aminy tsara ny fandehany fa aza amoronana atsanga tsy aman‘orana izy.
Fehiny: Aoka tsy isika no ho atody manakana ny fivelaran‘ny kilonga.
Aoka isika habome hery azy ireo ho SAHISAIHY.
Sarotra io Fa: SAHIA MIAVAKA @ TSARA
Mety ianao lehibe no tena Mila mamaky atody - Manaova fisaina - Manaova fitaiza
I Namana Hasina fahazaza dia efa nozarin‘ikaky Jean Maurice Rasamoelina niala-tsehatra, tsy nifezaka