28/09/2025
De tout cœur avec vous 💪🤍🖤 force à vous Habibo Group
Ao ambadiky ny vokatra tsirairay, misy ray aman-dreny miezaka mamelona ny zanany, tanora manomboka mametraka ny hoaviny, fianakaviana miaina amin’ny asa am-pitiavana, ary mpandraharaha madinika miara-miezaka.
Olona maherin’ny 3 000 no mivelona amin’ity orinasa ity, mpaninjara maherin’ny 50 000 sy ireo fianakaviany no miara-miasa sy miankina amin’ny Habibo Group.
Ny fandravana sy ny fanimbàna dia tsy mikasika rindrina sy trano ihany, fa mikasika fiainana, nofy ary fanantenana.
Voadona mafy izahay… kanefa tsy maintsy mitraka hatrany, ho fitsinjovana ireo tokantrano maro miankina amin’ny asa eto anivon’ny HABIBO.
Fanamby napetrakay hatramin’izay ny hoe: “Ny tsara indrindra ho anao”.
Misaotra an’ireo rehetra manohana sy mankahery anay : ny firaisankinanareo no manampy anay hanohy.
—————
Derrière chaque produit, il y a des parents qui nourrissent leurs enfants, des jeunes qui construisent leur avenir, des familles qui vivent de leur travail avec passion, et de petits entrepreneurs qui avancent ensemble.
Plus de 3 000 personnes vivent grâce à cette entreprise, plus de 50 000 distributeurs et leurs familles collaborent et dépendent de Habibo Group.
La destruction et le vandalisme ne touchent pas seulement des murs et des bâtiments : ils brisent aussi des vies, des rêves et des espoirs.
Nous avons été durement touchés… mais nous devons rester debout, pour soutenir les nombreuses familles qui dépendent du travail au sein d’HABIBO.
Depuis toujours, notre engagement est : « Le meilleur pour vous ».
Merci à toutes celles et ceux qui nous soutiennent et nous encouragent : votre solidarité nous aide à continuer.